LALANA EPP AMBOHIMANGAKELY : Ahiana hitera-doza noho ny fahasimbany

Tsy hay intsony na tanimbary na dobo-trondro ny azo hisokajiana ny ampahan-dalana mandalo eo ambonin’ny EPP Ambohimangakely mihazo an’Ambohimitsara mivoaka any amin’ny By-pass Alasora, ao anatin’izao vanim-potoan’ny orana izao. Feno lavadavaka ary fotaka mandrevo sy rano miangona manerana ny lalana ankehitriny. Vokany, sahirana mijery ny hasiany ny tongony ireo mponina mampiasa ity ampahan-dalana niangaran’ny vintana noho izy tsy mba nasiam-panamboarana fony nanao izany ny ben’ny tanànan’Ambohimangakely teo aloha ity. Ny nahavariana anefa dia samy vita rarivato avokoa ny ampahan-dalana eo aloha sy aorian’ny eo amin’ny toerana misy ny EPP Ambohimangakely.

Maroanisa amin’ireo mampiasa ny lalana ireo ankizy madinika sy mpanatra any amin’ireo sekoly manodidina. Ahiana hitera-doza ho azy ireo ny haratsian’ny lalana noho ny fanarahan’izy ireo morona loatra amin’ny ilany ankavanan’ny lalana izay hantsana sy efitrano fianarana avy hatrany no mitaty azy ireo raha toa ka misy ny fianjerana noho ny fitadiavana ny faritra maimaina sy tsy misy ranom-potaka ahafahana mizotra. Mety hiteraka faharatrana goavana na sanatria ho famoizana ny aina lahitokana izany raha toa ka mitranga ny atambo.

Tsy ireo mpianatra ihany no mety hidiran’andro noho ny faharatsian’ity lalana ity fa eo ihany koa ireo efa zokinjokiny izay tsikaritra ho sahirana tokoa rehefa mandalo eo amin’ny EPP Ambohimangakely. Tsy resahana intsony ny fahasahiranan’ireo fiara maro izay voatery tsy maintsy mampiasa ity ampahan-dalana ity.

Entanina, araka izany, ny eo anivon’ny fiadidiana ny tanànan’Ambohimangakely mba hjery akaiky ny fahasimban’ity ampahan-dalana ity. Tarigetran’izy ireo rahateo ny hoe : « Ovaintsika ny Tanàna » koa inoana fa hiova ho tsara tsy ho ela tokoa ny lalana mandalo eo ambonin’ny EPP Ambohimangakely izay lasa loza mitatao amin’ireo mponina eny an-toerana ny fahasimbany. Raha toa ka tsy hisy ny fanamboarana ahiana ihany koa ny hihotsahan’ny lalana eo ambonin’ny trano fianaran’ireo kilonga madinika mianatra ao amin’ity EPP Ambohimangakely ity. Raiso ny andraikitra fa mitatao ny loza ry Kaominina Ambohimangakely , hoy ny antson’ireo mponina sy mpampiasa ny lalana eny an-toerana. Sa miandry fa Gasy aloha ? Aza hitako !!!

Vous aimerez aussi