Noraisin’ny Filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana, tetsy amin’ny Lapan’Anosikely ny solontenan’ny Fikambanan’ireo Filohan’ny Filankevitra Monisipalin’ireo tanan-dehibe manerana an’i Madagasikara toa ny any Antsiranana, Mahajanga, Antananarivo, Fianarantsoa, Taolagnaro, Nosy Be, Sainte Marie.
Catégorie : Samihafa
MINISTRY NY FAHASALAMAM-BAHOAKA : “Aoka tsy hatao sorona ny marary”
Ny fifampiresahana an-databatra boribory ihany no vahaolana hamahana ny olana raha misy ny fitakiana hataon’ireo mpitsabo mpanampy sy ny sendikan’ny Paramed, hoy ny ministry ny fahasalamam-bahoka.
MPANENTANA AO AMIN’NY MIARA-MANONJA : Ho voaantso eny amin’ny ady heloka bevava eny Fiadanana
Voaantso ny talata 9 Febroary teny amin’ny sampana ady heloka bevava an’ny zandarimaria etsy Fiadanana, ny ministry ny serasera teo aloha no sady mpanentana ao amin’ny Miara-Manonja, atoa Andrianjato Vonison.
« ASSOCIATION LA CHARITÉ DE MADAGASCAR » : Mpianatry ny Epp 300 nozaraina kits scolaire
Mpianatry ny sekoly EPP tao Tsarahonenana Ivoanjo Anosiala miisa 300 no nahazo « kit scolaire » avy amin’ny “Association la Charité de Madagascar”, ny sabotsy lasa teo, izay nahitana kitapo, « gourde », kahie, penina 4 loko, penisilihazo.
SEKOLY AMPINGA D’OR : Tokony tsy hisy ny fanaovana cours
Misy karazany ny cours, hoy ny talen’ny sekoly Ampinga d’Or, atoa Manampisoatoavina Lalaina, dia ny cours natokana ho an’ny mpanala fanadinana sy ny cours hamerenana ny fahaizan’ny mpianatra.
Fitsangatsanganan’ny RMDM teny Imerinkasinina
Ny fitsangatsanganan’ny RMDM teny Imerinkasinina. (Sabotsy 06 Febroary 2021)
RADAVIDSON ANDRIAMPARANY : Omeo ny lanjany ny mpanabe
Tsy fanaovana fotodrafitr’asa akory no inona, na ny fametrahana ny Epp isaky ny fokontany, hoy ny Ministry ny fanabeazampirenena teo aloha, atoa Radavidson Andriamparany, fa tokony omena ny lanjany sy apetraka ny maha izy azy ny mpanabe rehetra manerana ny nosy.
FAMETRAHANA « FIBRE OPTIQUE » AO FARADOFAY : Afaka mametraka izany ny orinasa Telma, hoy ny governora
Nisy ny olana teo amin’ny fikambanana sy ny mponina tao Faradofay, mikasika ny fametrahana ilay fitaovana “Fibre Optique” ataon’ny orinasa telma, izay nolavin’ny mponina.
LALANA RATSY TAO MAEVATANANA : Tanteraka ny fampanantenana nataon’ny filoha Andry Rajoelina
Natomboka tao amin’ny distrikan’i Maevatanana, faritra Betsiboka ny fanamboaran-dalana, araka ny fampanantenana nataon’ny Filoha Andry Rajoelina.
DEPIOTE RAKOTONIRINA JODA : Miantso ny filoha Andry Rajoelina mba hitondra fampandrosoana ao amin’ny distrika
Naneho ny alahelony amin’ny tsy fisitrahana amin’ny resaka fampandrosoana, ny depiote Rakotonirina Joda, voafidy tao amin’ny distrikan’Iakora, faritra Ihorombe. Nambarany, fa faralahy tanteraka amin’ny fampandrosoana amin’ny ankapobeny ny distrika.
