DEPIOTE RAKOTONIRINA JODA : Miantso ny filoha Andry Rajoelina mba hitondra fampandrosoana ao amin’ny distrika

Naneho ny alahelony amin’ny tsy fisitrahana amin’ny resaka fampandrosoana, ny depiote Rakotonirina Joda, voafidy tao amin’ny distrikan’Iakora, faritra Ihorombe. Nambarany, fa faralahy tanteraka amin’ny fampandrosoana amin’ny ankapobeny ny distrika. Mihemotra tanteraka amin’izay fampandrosoana izay koa io distrika io, hoy izy.  Araka ny fantatra, dia mandry tsy lavo loha amin’ny tsy fandriampahalemana ny mponina any an-toerana ary nanjaka ny halatr’omby sy fanafihana tantsaha. Vonona ny hitondra fampandrosoana haingana an’ity distrika ity, ny depiote, hoy ny fanazavany. Voalazany, fa hatramin’ny nisian’ireo mpitondra nifandimby teto amin’ny firenena, dia tsy nisy mpitondra nijery io distrika io. Noho izany mangataka amin’ny mpitondra fanjakana ankehitriny indrindra fa ny filoha Andry Rajoelina ny depiote, mba hijery akaiky ity distrika ity ary mba hitondra fampandrosoana mivaingana ho hitan’ny vahoaka hatramin’ny taona 2023, hoy hatrany izy, mba tsy ho tara intsony fa ho lohany amin’izay fampandrosoana izay.

Vous aimerez aussi