FIKAMBANANA AVOTY ANDRAIKIBA : Namboly zana-kazo 2 500 fototra

Nanatanteraka fambolen-kazo, tao amin’ny kaominina Andraikiba, distrikan’Antsirabe, faritra Vakinankaratra, ny fikambanana Avoty Andraikiba. Zana-kazo miisa 2 500 fototra no nambolen’io fikambanana io, ny sabotsy teo. Araka ny fanazavana voaray, tamin’ny filohan’ny fikambanana, dia miha ritra ny rano ao Andraikiba amin’izao fotoana izao, nohon’ny fiovaovan’ny toetr’andro ary fantsona roa sisa no manondraka ny rano ao an-toerana. Mahatratra 8 ka hatramin’ny 10 metatra ny haavon’ny rano any an-toerana, hoy ny fanazavany, ka nahatonga ny fikambanana namboly hazo. Nambarany koa, fa na ny zezika nampiasaina tamin’izany aza, dia natao nifanaraka tamin’ny toe-tany ao Antsirabe. Voalaza, fa tao anatin’ny herinandro dia nangady lavaka izy ireo ary natao 60/60. Taorian’izay ny fametrahana zezika sy ny fanatsatohana ireo zana-kazo. Notronon’ireo olon-tsotra, mpitandro ny filaminana, fikambanana hafa ity fambolen-kazo ity ary nankasitraka ny fikambanana ireo tompon’andraikitra tonga tany an-toerana.

Vous aimerez aussi