VARY TSINJO HO HITA ENY ANOSIBE : Hisy ny sazy ho an’ireo mpanararaotra sy manafina ny vary, hoy ny lehiben’ny tsenan’Anosibe

Midina mijery ny vidin’entana eny an-tsena isan’andro ireo tompon’andraikitry ny tsena sy ny delegen’ny tsena eny Anosibe, amin’ny “recette”, tahiry ary ny “depart” n’ireo mpivarotra. Antony mba hanaraka ny vidin’ny entana izay efa napetraky ny ministera izy ireo. Nisy ny fanafaran’ny fanjakana vary avy any ivelany na vary tsinjo, ka haparitaka eny amin’ny grosista izay efa manana lisitra ary ity farany indray no mizara izany eny amin’ny épicerie. Ireto farany indray no mitsinjara izany amin’ny mpanjifa, ka 5 kilao no azon’ny olona iray vidiana. Nambaran’ny lehiben’ny tsenan’Anosibe, atoa Randrianambinina Marcellin, fa ny tsenan’Anosibe no anisan’ny hitsinjara io vary tsinjo avy amin’ny fitondram-panjakana io, ka hisy noho izany ny fanaraha-maso hataon’izy ireo ary ho hentitra kosa amin’ireo grosista izay mitady hanararaotra. Hisy ihany koa ny sazy ho an’ireo izay manafina ny vary tsinjo, hoy ny lehiben’ny tsena. Marihana, fa vary 8 gony isaky ny grosista no zaraina. Ankoatra izay dia nohon’ny firongatry ny valanaretina covid19 dia hentitra ihany koa ny mpitantana ny tsenan’Anosibe ary mampatsiahy ireo mpivarotra sy mpajifa eny an-toerana, mba hanaraka ireo fepetra ara-pahasalamana napetraky ny fanjakana. Eo koa ny fanaovana ny arotava. Raha misy tratra tsy manaja izay fepetra izay, dia hosaziana, ka manatanteraka ny TIG na “Traveaux d’Interet Géneral”.

Vous aimerez aussi