Tsy fanaovana fotodrafitr’asa akory no inona, na ny fametrahana ny Epp isaky ny fokontany, hoy ny Ministry ny fanabeazampirenena teo aloha, atoa Radavidson Andriamparany, fa tokony omena ny lanjany sy apetraka ny maha izy azy ny mpanabe rehetra manerana ny nosy. Nambaran’ny Ministra teo aloha hatrany, fa tsy laharam-pahamehana ny fananganana fotodrafitr’asa. Ilaina ny fisian’ny sekoly, fa tsy vaindohan-draharaha izany, fa ny fanomezana fiofanana ho an’ny mpanabe, mba ho tsara hofana ary hampita ny fahalalany any amin’ireo mpianatra no tanjona, rehefa nahazo izay fiofanana izay ireo mpanabe, hoy hatrany ity Ministra teo aloha ity. Mpanabe ampy fiofanana sy tsara fitondra-tena ary ampy traikefa no tanjona amin’izany, hoy izy, ary omena ny lanjany manokana koa izy ireo, raha ny fanazavany hatrany, izay vao afaka mametraka fotodrafitr’asa ho an’ny mpanabe.


