Natomboka tao amin’ny distrikan’i Maevatanana, faritra Betsiboka ny fanamboaran-dalana, araka ny fampanantenana nataon’ny Filoha Andry Rajoelina. Nambaran’ny prefen’i Maevatanana, atoa Vanombe Bazezy Clavelah, fa nandalo tao amin’ny distrika, ny Filohampirenena ary nahita ny faharatsian’ity lalana ity, ka nilaza tamin’ny ministry ny asa vaventy, fa tsy maintsy hamboarina io lalana ratsy io. Tanteraka ny velirano nataon’ny Filohampirenena tamin’ny vahoaka tao Maevatanana ary efa miroso ny fanamboarana ny lalana izay nampikaikaika ny mponina. Nilaza ny depiote voafidy tany an-toerana, fa raha nandalo tao amin’ny distrika ny Filohampirenena dia nahita ny faharatsian’io lalana tao Maevatanana io ary teo ihany ny filoha dia niantso ny tompon’andraikitra ary nilaza fa amboarina io lalana ratsy ao Maevatanana io. Ankehitriny tanteraka izany ary efa hita any an-toerana ireo “engin” fanamboaran-dalana avy amin’ny fitondram-panjakana. Nankasitraka ny Filohampirenena ramatoa depiote fa ny zavatra tenenin’ny Filoha dia tsy maintsy vita ary efa an-dalana ny fanamboarana ny lalana. Tanteraka ny veliranon’ny filoha, hoy ramatoa solombavambahoaka ary nankasitraka azy ny tenany. Nankasitraka ny ministry ny asa vaventy koa ny depiote. Ankoatra izay napetraky ny prefe ihany koa ny vato fototra hanorenena ny trano natokana ho an’ny olom-boafidy ao amin’i Maevatanana, ka zon’ireo tompon’andraikitra no hahita fahobiazana sy fahasalamana raha hisitraka izany trano izay aorina izay, hoy ny prefe. Marihana, fa lanonana 4 sosona no natao tao Maevatanana, ny faran’ny herinandro lasa teo. Voalohany, natomboka ny fanamboarana ny lalana, efa any an-toerana ny fitaovana, manomboka ny asa. Vinavinaina ho vita ao anatin’ny 6 volana voalohany ity lalana ity. Faharoa, teo ny fametrahana ny vato fototra hanorenana trano hiasan’ireo olom-boafidy any an-toerana sy hivorian’izy ireo, izay famatsiam-bola avy amin’ny CLD. Fahatelo, nozaraina moto 19 ny kominina 19 mandrafitra ny distrika ary ny Ben’ny tanàna no mampiasa azy ary teo ny fanolorana fitaovana hafa hampiasain’ireo mpitantana ny tanàna.
Tonga nanotrona sy nametraka ny vato fototra ny fananganana ny lehiben’ny distrika, ny prefen’i Maevatanana, ny solombavambahoaka ary ireo olo-manakaja maro sivily sy miaramila.


