Vita ny faran’ny herinandro lasa teo, tao amin’ny sekoly Issup etsy Behoririka, ny fifamindram-pahefana teo amin’ny filoha teo aloha sy ny filoha vaovao hitantana ny fikambanana FIHEZAMA na Fitezaina ny Herin’ny Zatovo Malagasy, ka atoa Ramiandrisoa Lalaina no filoha vaovao hitantana ny fikambanana mandritry ny 4 taona manaraka. Ny Fihezama foibe dia manana kliobana fanatanjahan-tena miisa 47. Hita ao avokoa ireo karazana fanatanjahan-tena sy fiteza-batana, fa mitantana ny federasiona karate eto Madagasikara kosa atoa Ramiandrisoa Lalaina, izay nandray ny toerany ny maha filoha azy ny zomà lasa teo. Ny tanjona dia ny hampiroborobo ny taranja karate manerana ny Madagasikara. Mandritry ny 4 taona hitantanan’ny filoha vaovao araka ny nambarany, dia vonona ny hametraka ny dia-tanany eo amin’ny federasiona karate ny filoha vaovao, raha ny fanazavany. Marihana, fa manana ny “ceinture 5e Dan” ity filohan’ny federaly ny taranja karate vaovao ity.


