Feno 10 toana amin’ity taona ity (2011 – 2021) no nivoahan’ny tondrozotra sy ny didim-panjakana mikasika ny fampihavanam-pirenena sy famoahana ny lalàna sy zo aman-kasin’ny fikambanan’ny gadra politika na Fedep. Mangataka amin’ny fitondram-panjakana mahefa noho izany izy ireo mba hamoaka ny “Décret d’Application” mikasika an’ireo gadra politika sy ireo niharam-boina. Araka ny fanazavan’ny filoha lefitry ny gadra politika manerana ny nosy, atoa Rakotomalala Henri, fa efa nanao ny asany ny Cfm sy ny Ffm ary isaorana azy ireo izany ary efa voatitry ny Cfm tany amin’ny ministeran’ny fitsarana sy ny sekretera jeneralin’ny ministera ny volana novambra 2019 ny “Projet de Décret d’Application” momba ny fanonerana ireo niharam-boina, nefa 2 taona aty aoriana mbola tsy navoakan’ny ministeran’ny fitsarana io didy fampiharana io. Miangavy ny fitondrana mahefa ary mangataka amin’ny Filohampirenena Andry Rajoelina sy ny Praiministra mba hanafaingana ny famoahana io “Décret” io ireo gadra politika, mba ho fanajana ny lalàna sy ny zo aman-kasin’izy ireo. Marihana, fa efa in-6 no nangataka fihaonana tamin’ny Filoha Andry Rajoelina izy ireo fa tsy voaray ary mbola mangataka fihaonana amin’ny Filohampirenena izy ireo ary hanaovan’izy ireo antso avo amin’ny Filoha Rajoelina Andry mihitsy izany.


