Mikasika ny raharaham-pirenena dia nivoaka tamin’ny fahanginany ny fiarahamonim-pirenena Hafari Malagasy sy GA.KA.MA na Gasy Ka Mahery. Hita ary maro ireo asa efa mandeha sy vitan’ny fitondram-panjakana tarihin’ny filohampirenena Andry Rajoelina ary miezaka mitady vahaolana hamahana ny olana ara-tsosialy ny tenany, hoy ireto fiarahamonim-pirenena ireto. Nambaran’ny filohan’ny Hafari Rafanomezantsoa Jean Nirina sy filohan’ny Gakama atoa Michel Dragon, fa manao ny ainy tsy ho zavatra ny filohampirenena ary efa nilaza izy fa hanao tomban’ezaka isaka ny 6 volana amin’ireo mpikambana ao amin’ny governemanta. Misy amin’izy ireo anefa sy ireo tompon’andraikitra any anivon’ny ministera, ny tale isan’isany any amin’ny ministera no tsy miasa ary misy aza mandoto rano na “personalité” ny filoha ary manimpy hoditr’akondro ny filoha fotsiny, hoy hatrany izy ireo. Misy ministera tsy mahavita ary tsy hita tabilao mihitsy, hoy hatrany ireto fiarahamonim-pirenena ireto. Soloy ny mpikambana ao amin’ny governemanta ary ny governora, ny 80% amin’izy ireo dia ataovy ireo olona avy aminao (ndlr : Filohampirenena) ary ireo mpanolontsainao koa dia olona tena tia anao amin’ny fo ary tena anao sy nanohana anao, hoy hatrany ny Hafari sy ny Gakama. “Alao ary esory ao izay hita fa tena tsy mamely, avadiho ny pejy atoa Filoha Andry Rajoelina, hoy ny antso avo nataon’izy ireo. Tsy ekena intsony izany fiaraha-mitantana izany, fa aleo hiasa ny tena ekipan’ny filohampirenena. Miantso ny filoha Andry Rajoelina ireto fiaraha-monim-pirenena ireto, raiso ny fepetra ho an’ireo ministra tsy miasa. Farany, ho an’ireo mpanohitra dia miandrasa amin’ny fifidianana amin’ny taona 2023 dia any no mifampitady ary hotsarain’ny vahoaka, fa aza korontanina intsony ny vahoaka fa efa leon’ny korontana, fa aleo hitady. Marihana etoana, fa tsy misy afa-tsy ny famoronana asa no vahaolana eto amin’ny firenena, hoy ny Hafari sy ny Gakama.


