MPAMPIANATRA MPIKAROKA, MPIKAROKA MPAMPIANATRA (SECES) : Navahita be teo amin’ny tontolon’ny fanabeazana ny Amiraly Ratsiraka

Namela mamy ary nahavita be teto amin’ny teto amin’ny firenena ny Amiraly Ratsiraka. Na dia nindaosin’ny fahafatesana aza izy, dia nambaran’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra sampana Antananarivo na SECES, fa tena nahavita be teo amin’ny sehatry ny fanabeazana ny filoha teo aloha ny Amiraly Ratsiraka ary ny teo anivon’ny ministeran’ny fanabeazana.

ADY AMIN’NY FIHANAKY NY COVID-19 : Nanatanteraka fikaonandoha ny Académie Nationale de Médecine de Madagascar sy ny fitondram-panjakana notarihin’ny Filohan'ny Repoblika

Nisy ny fikaonandoha notanterahana ny Alakamisy 25 Martsa 2021 teo teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha, niarahan’ny Académie Nationale de Médecine de Madagascar sy ny fitondram-panjakana notarihin’ny Filohan’ny Repoblika, Andriamatoa Andry Rajoelina.

Nandray anjara tamin’izany ireo Profesora solotenan’ireo mpikambana ao amin’ny Académie Nationale de Médecine de Madagascar, ny minisitry ny Fahasalambahoaka, ny minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa.