17 taona monja i Saunia Clarence, dia efa miditra amin’ny sehatry ny mozika. Mpanakanto azo lazaina fa zandriny, nefa efa matotra rehefa miseho sehatra. Nambaran’i Saunia Clarence, fa fony izy mbola kely dia efa tia mihira ary nandray anjara tamin’ny fifaninana ny taona 2017, ka nahazo ny laharana fahaefatra ary voahosotra ho voalohany tamin’io fifaninana izay nataony io. Taorian’izay, dia niara-nihira tamin’i Davis izy, tamin’ilay hira hoe “Ampindramo”. Nandeha irery ny taona 2018 ny tovovavy taorian’izay, ary i Kougar sy Kami ary R. Jess no namorona ny hirany. Hira 9 no efa vitany amin’izao amin’ny gadon-kira rehetra tsy ankanavaka, ahitana evanjelika, sol. Ireto avy ny hirany, “Fitia hafa kely, Zon’ny ankizy, Dera ho anao, Ianao Jesoa, Zakao fa efa natao, Fandihy vaovao, Tsiaro, Ifalio ary Mifankatiava.

Hivoaka raki-tsary tsy ho ela ireo hirany ireo, hoy izy. Tsy misy sakana amin’ny fianarana izay ataony kosa ny famerenan-kira, fa efa misy ny fandahara-potoana ataony. Miara-miasa amin’ny mpanakanto hafa i Saunia Clarence. Manohana azy kosa ny fianakaviany sy ny ray aman-dreniny. Efa nanao fampisehoana tao amin’ny fiangonana FJKM Antanety Fitahiana sy tany ambanivohitra izy. Mifono sy mitondra hafatra ary anatra ireo hirany ireo. Ny mampiavaka azy ny gadon-kira sy ny maha izy azy na ny “personalité”. Eo koa ny nahatafavoaka azy tamin’ny fifaninanana, ka ho tonga any amin’ny matihanina. Voalazany, fa vitsy ireo ankizy mihira amin’izao, ka nahasarika azy niditra amin’io sehatra io. Hitondra avo ny tontolon’ny mozika no tanjony. Manentana ny mpankafy mba ho tia mozika izy. Mandihy sy ny milalao baolina kitra no fanatanjahan-tena tiany. Ny fialambony kosa dia any amin’ny skoto sy any amin’ny chorale. Marihana fa efa mitendry vata maroafitsoka na “synthétiseur” izy.


