Misokatra amin’ity taona 2021 ity ny fampianarana “formation à distance” ho an’ny taona fahatelo na 3 ème année, amin’ny fitantanana na Géstion ho an’ny sekoly ambony Issup. Araka ny fanazavan’ny talen’ny sekoly, atoa Ramiandrisoa Lalaina, dia fampianarana sy fahalalana no omen’ny sekoly, mba ahazoana fankatoavana avy amin’ny ministeran’ny fampianarana ambony. Ny diplaôma omen’ny sekoly “Institut Supérieur Privée Professionnel” na Issup dia “Lisence en Gestion” izay mitovy “Catégorie 5” eo amin’ny ministeran’ny asa vaventy sy ny lalàna sosialy, izay midika fa ahazoana fankatoavana avy amin’ity ministeran’ny asa ity ihany koa izany. Nambaran’ny talen’ny sekoly hatrany, fa spécialité “Gestion Ressource Humaine”, “Comptabilité Finance”, ary « Marketing, Commercial » no ho azon’ireo mpianatra na mpiasa manaraka ity « formation à distance » ity.


