ADY AMIN’NY FIHANAKY NY COVID-19 : Nanatanteraka fikaonandoha ny Académie Nationale de Médecine de Madagascar sy ny fitondram-panjakana notarihin’ny Filohan'ny Repoblika

Nisy ny fikaonandoha notanterahana ny Alakamisy 25 Martsa 2021 teo teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha, niarahan’ny Académie Nationale de Médecine de Madagascar sy ny fitondram-panjakana notarihin’ny Filohan’ny Repoblika, Andriamatoa Andry Rajoelina.

Nandray anjara tamin’izany ireo Profesora solotenan’ireo mpikambana ao amin’ny Académie Nationale de Médecine de Madagascar, ny minisitry ny Fahasalambahoaka, ny minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa.

Nisongadina nandritra ny dinika ny fiarovana ny aina sy ny fahasalaman’ny vahoaka Malagasy izay anisan’ny soatoavina voarakitra ao anaty lalam- panorenana.

Niompana tamin’ny fiadiana amin’ny fihanaky ny valan’aretina sy ny paikady tokony horaisina mifandraika amin’izany ny dinika rehetra nifanaovana noho ny fisian’ny « variant sud-africain» tafiditra eto amintsika.

Nifantoka tamin’ny fandinihana ireo karazana vakisiny misy sy ny vokatra aterak’izany eo amin’ny fahasalamana ny fivoriana.

Zavadehibe ny fandraisana fanapahankevitra mifandraika amin’ny toe-java- misy sy ny variant misy eto amin’ny firenena ary ny fivoaran’ny valanaretina. Mila mitsinjo indrindra koa isika ny fepetra raisina manoloana ny mety ho fiakaran’ny tahan’ireo mitondra ny tsimokaretina izay hitranga afaka volana vitsivitsy mandritra ny vanimpotoanan’ny ririnina.

Noresahana ihany koa ny fomba fandraisana an-tanana ireo marary sy ny fomba nentintsika nitsaboana sy nisorahana ny valanaretina covid-19.

Nitondra ny fomba fijery ara-tsiantifika kosa ireo Profesora avy ao amin’ny Akademia mahakasika ny fivoatran’ny valanaretina sy ny vakisiny efa misy manerantany.

Nandroso sosokevitra ny mpikambana ao amin’ny Akademia amin’ny tsara hirosoan’ny firenena amin’ny fanaovana vakisiny fanefitry ny covid-19 nifototra amin’ny fandalinana ara-tsiansa.

Nanamafy ihany koa ny ANAMEM fa tsy mifanipaka ny fampiasana ny vokatry ny fikarohana Malagasy toy ny CVO plus izay nahitambokatra nahafapo teo amin’ny fitsaboana sy fiarovana ny Malagasy.

Koa manoloana izany dia nandray ny hevitry ny ANAMEM ny fitondram- panjakana ary hiroso sy hifandrimbona ny roa tonta amin’ny fanatanterahana ny dingana manaraka.

Rehefa nanome ny toromarika sy ny torolalana ny ANAMEM dia toy izao manaraka izao ny fanapahankevitra noraisina :

  1. Hiroso amin’ny fijerena sy fampiasana ireo vakisiny mahatohitra ny « variant » misy eto Madagasikara isika.
  2. Tapaka fa safidy ny vakisiny ary tsy tokony atao an-tery.
  3. Ny vaomiera siantifika miaraka amin’ny Ministeran’ny fahasalamambahoaka sy ny ministeran’ny fampianarana ambony ary ny fikarohana ara-tsiansa no handrafitra ny dingana tsy maintsy hatrehina ahafahana manatanteraka izany.
  4. Ny fampiasana ny vokatra Malagasy CVO Plus ao anatin’ny protocole de traitement amin’ny fitsaboana sy fisorohana ny covid-19 dia mbola mitoetra ary mitohy hatrany.
  5. Ny fitandreman’ny tsirairay avy no zava-dehibe hahafahana miaro ny tena, ny fianakaviana ary ny firenena manoloana ny fihanaky ny valanaretina. Ilaina noho izany ny fanarahana antsakany sy andavany ny fepetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana rehetra mipetraka eto Madagasikara.

Vous aimerez aussi