COMITE STRATEGIQUES DE SECTEUR TAXI (CSST) : Sazio faran’izay henjana ireo taxi-moto tsy ara-dalana

Tandidomin-doza ny sehatry ny fitaterana hataon’ny taksia ankehitriny. Mitombo andro aman’alina ireo taxi-moto eto andrenivohitra, nefa maro amin’izy ireo no tsy ara-dalana no tsy manara-dalana ihany koa. Manelingelina eo amin’ny fitaterana izay hataon’ny taksia moa ny fisian’io taxi-moto io. Araka ny fanazavana voaray teo amin’ny solotenan’ny CSST na “Comité Strategiques de Secteur Taxi” io dia maro amin’ireo taxi-moto no hita manerana ny renivohitra, nefa tsy voaaramason’ny kaominina Antananarivo Renivohita izy ireny. Nambaran’ny CSST, fa tena manimba ny asan’ny taksia ny fahamaroan’ny taxi-moto. Ny taratasy tsy ara-dalana, tsy manana fahazoan-dalana hanao ny asan’ny taksia ny taxi-moto. Tsy manaraka ny fandaminana hataon’ny kaominina sy ny fanjakana koa ireo taxi-moto. Miteraka tsy fandriampahalemana ihany koa ireny kodiara-droa hatao taxi-moto ireny, ohatra ny fanafihana mitam-piadiana sy ny fakana an-keriny, sy ny sisa. Tsy mandoa hetra izy ireny. Ankoatra izany rehetra izany, dia miteraka loza ho an’ny olona entina ny taxi-moto. Noho izany mangataka ny mpitantana eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ary ny fitondram-panjakana ny fikambanana CSST ity mba hanasazy faran’izay henjana ireny taxi-moto ireny sy izay tsy manara-dalàna rehetra, fa potika tanteraka ny fitadiavana hataon’ny taksia, hoy ny CSST.

Vous aimerez aussi