Rasamoelina Tovonjaka Herizo, fantatry ny maro eo amin’ny sehatry ny fitsaboana mampiasa ny fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra miampy ny fampiasana ireo zavamaniry misy eto Madagasikara, amin’ilay anarana hoe : Frère Samuel mpitsabo. Dimy ambiny folo taona katroka no niseharan’ny lehilahy eo amin’ny seha-pitsaboana voajanahary amin’ny alalan’ny fisian’ny fanomezam-pahasoavana ananany laroina ny fampiasana ireo zavamaniry misy eto amin’ny Nosy…
Catégorie : Samihafa
SEKOLY AMBONY E.S.D.E.S : Mijoro ny fikambanan’ny mpianatra A.E
Nampahafantarin’ny Sekoly Ambony E.S.D.E.S izay manana ny foiben-toerany eny Ankadivato, tamin’ny fomba ofisialy, ny fijoroan’ny fikambanan’ny mpianatra A.E na ny “Association des Etudiants de l’E.S.D.E.S” ao amin’izy ireo, manomboka izao, raha efa iray volana izay no niorenan’izany…
BASKETBALL SMATCHIN BE CONNECT 2025 : Mpanohana ofisialy ny zava-pisotro XXL
Mpanohana ofisialy ny fifaninanan’ny lalao ara-panatanjahantena “Basketball Smatchin Be Connect 2025”, ny zava-pisotro XXL. Ity andiany faha-11 ity izay hotanterahana ny 8 ka hatramin’ny 16 marsta ho avy izao…
FAHANTRAN’NY MALAGASY : Vokatry ny fitiavan-tena sy ny zarazarao hanjakana
Miaina anaty fahantrana tanteraka ny Malagasy. Maro ny Antony miteraka izany fa ny anisany goavana amin’izany ny toe-tsain’ny fitiavan-tena diso tafahoatra eo amin’ny isam-batan’olona. Tsy ny Vahoaka ihany no tratry ny viriosin’ny fitiavan-tena fa voa ihany koa ireo “Mpitondra”…
FIANGONANA « HEBREO NOTSRYM » : Hankalaza ny « Rosh hashanah »
Ny tontolo andron’ny Alahady 30 martsa ho avy izao, etsy Ankasina, efajato metatra miantsinanana raha miala ny Gare routière Maki Andohatapenaka, amin’ny havanan-dalana, izay misy ny « bet kneset » na trano fivavahana ho an’ireo mpanaraka ny finoana Hebreo notsrym, no hanamarihana ny Taom-baovao na « Rosh hashanah »…
FENO 60 TAONA NY L.M.A : Mpianatra 48.000 isa no efa navoakan’ity Liseam-panjakana ity
Mpianatra manodidina ny 48.000 isa no navoakan’ny “Lycée Moderne Ampefiloha” na ny L.M.A, nandritra izay 60 taona niorenany izay. Mamoaka mpianatra mahatratra 800 isa isan-taona ity Liseam-panjakana ity, araka ny fanazavan’ny “Proviseur” ao amin’ny Lycée moderne Ampefiloha, Andrianjafy Mamisoa…
TVM SY RNM : Natao ho an’iza marina ?
Mahagaga sy mahatalanjona ny maro fa feon-dakolosy tokana avy amin’ireo mpitondra fanjakana hatrany no re sy hita rehefa mijery ny fampahalalam-baovaon’ny TVM sy RNM ny rehetra. Dradraina ombieny ombieny anefa fa malalaka “hono” ny fanehoan-kevitra eto Madagasikara…
RENY EVENTS : Nifarana ny “Valentine’s Day” dia ho avy ny “Viavy Jejo 2eme édition”
“Vehivavy sy ny asa tanana vita Malagasy – Ndao hiaraka hanandratra ny Vita Malagasy”, io no teny filamatry ny “Reny Events” amin’ilay hetsika ara-barotra antsoina hoe: “Viavy Jejo 2eme édition”, izay karakarain’izy ireo. Ny 19 ka hatramin’ny 22 Martsa 2025, eny amin’ny Zaridaina Antaninarenina no hantanterahana izany. Ity hetsika ity dia entin’ny tomponandraikitra mpikarakara manome lanja ny vehivavy…
FAMOKARANA SIMENITRA : Hanangana fotodrafitrasa momba izany ny eny Ampitatafika
Miroso hatrany amin’ny fampandrosona ny kaominina iadidiany ny ben’ny tanànan’ny kaominina Ampitatafika, Ramparaoelina Rado, sy ireo mpiara-miasa aminy. Ny herinandro lasa teo, teny amin’ny Tanimenabe Ampitatafika, izay toerana hanorenana fotodrafitrasa, dia nampahafantatra ireo mponina ao amin’ny kaominina iandreketany, ny tenany, fa hanorina orinasa hamokatra simenitra eny an-toerana ireo mpandraharaha vahiny tompon’io tany io.
EKAR « MASINA MISELY FARALAZA TALATAMATY » : Hanolotra « Foaran’ny Tantsaha »
Ny hisian’ny fampivoaram-piainana eo amin’ireo Kristianina izay maroanisa ireo Tantsaha (Mpamboly sy mpiompy) mandrafitra ireo mpino eo anivon’ny Eglisy KAtolika Romanina « Masina Misely Faralaza Talatamaty » mba hahafahan’izy ireo manohana ny Fiangonana sy ny Seminera. Ho fampivoarana sy fampiroboroboana ny Tontolo ambanivohitra eo amin’ny asa fiompiana sy fambolena eny an-toerana.
