Tontosa soa aman-tsara, teny amin’ny CCI Ivato, ny alahady 23 febroary 2025, ny “Vavaka sy Tso-drano” izay niarahana tamin’ny Pasteur Rabemananony Fidisoa sy Pasteur Noro Lucie. “Ary hanomezan’Andriamanitra anao anie…” -Genesisy 27:28, no andinin-tSoratra Masina nentina nandravahan’ny Fiangonana Vavaka Fanafahana, ny fotoana, tamin’io alahady io…
Catégorie : Samihafa
FANAMAITSOANA INDRAY AN’I MADAGASIKARA : Namita ny adidy fambolen-kazony ny antoko fivoi
Vahaolana iray entina hanarenana ny fiovaovan’ny toetry ny andro maneran-tany ny fambolen-kazo. Ny hazo izay mitana andraikitra maro eo amin’ny andavanandrom-piainan’ny zanak’olombelona. Laharam-pahamehan’ny fitondram-panjakana ankehitriny amin’ny alalan’ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy, ny fambolen-kazo…
“TROPIC AWARDS 2025” : Hanolorana mari-pankasitrahana ireo matihanina eo amin’ny lafiny fizahan-tany
Ny andiany voalohany amin’ny hetsika “TropicAwards 2025” izay karakarain’ny “Tropi’Com-Agence de Communication” no hotanterahana eny amin’ny Canal Olympia , ny sabotsy 1 Marsta ho avy izao. Ity hetsika ity izay fotoana iray entin’ny tomponandraikitra mpikarakara hanolorana mari-pankasitrahana ireo matihanina rehetra eo amin’ny lafiny fizahan-tany…
“DIMANCHE DES MEDIAS” : Hetsika ara-pilazantsara hitrotroana am-bavaka ny asa fanaovan-gazety
Lohahevitry ny hetsika ara-pilazantsara andiany faharoa amin’ny “Dimanche des Médias” amin’ity taona ity, ny hoe: “Compassion pour la foule” ao amin’ny Andinin-tSoratra Masina-Marka 8:2. Ity hetsika ara-pilazantsara ity izay hotanterahana eny amin’ny “Cité Planton” Ambaranjana raha ho antsika eto Madagasikara, ny alahady ho avy izao…
TRA-BOINA ENY ANDRAMIARANA : Nitondra ny anjara birikiny ny kaominina Antehiroka
Fanampiana tahaka ny akanjo sy kojakoja ilaina eo amin’ny andavanandrom-piainana no natolotry ny Ben’ny tanànan’ny kaominina Antehiroka, Andrianarivelo Toky Harilanto, sy ireo mpiara-miasa, ireo tra-boina, eny amin’ny fari-piadidian’izy ireo…
FIANGONANA VAVAKA SY FANAFAHANA : Ny alahady ho avy izao eny Ivato ny “Vavaka sy Tso-drano”
“Vavaka sy Tso-drano”, io indray no hetsika ara-pilazantsara maimaim-poana karakarain’ny Fiangonana Vavaka sy Fanafahana izay manana ny foiben-toerany eny Behoririka, ny alahady 23 febroary 2025, eny amin’ny CCI Ivato…
ORAMBE : Tondraka Antsahakely
Tena lasa traboina daholo ny mponina ao Antsahakely-Besarety amin’izao fotoana izao, ary tena vaky ny tatatra nohon’ny rano be mangeniheny. Lasa farihy ny tanàna ary tsy hita ny fampanantenana…
TSY FAHOMBIAZANA AMIN’NY FITANTANANA NY FIRENENA : Hanohitra izany hatrany ny Antoko HVM
Ny sabotsy 15 febroary 2025 no nanatontosa ny taom-pikatrohana politika taona 2025, teny amin’ny foiben-toerany eny Andraharo, ny antoko HVM. Nivoitra tamin’io fotoana io fa Antoko velona ny HVM izay mijoro ka mijanona ao anatin’ny fanoherana. Manohitra ihany koa ny fomba fitantanana tsy mety eto amin’ny firenena…
FANDRIPAHANA ALA : Omena sehatra tanteraka ny fanodinana ny fako ho lasa angovo
Mba hanatsarana ny kalitaon’ny rivotra sy hampihenana ny entona mandoto mifandray amin’ny fandoroana hazo dia nanodina ny fako ho lasa angovo ireo mpiantsehatra amin’izany…
FI.Z.A.M.A : Eny amin’ny « Cercle Mess » Soanierana ny “Bonne Année 2025”
Ny sabotsy 22 febroary ho avy izao, eny amin’ny “Cercle Mess” Soanierana, no hanatanterahan’ny FIkamban’ny Zanaka Ampielezana Mandritsara eto Antananarivo na ny FI.Z.A.M.A, ny fifampiarahabana nahatratra ny taona 2025. Ity fotoana ity izay entin’ny fikambanana hampivondronana indray ireo mpikambana rehetra ao aminy mba hanehoan’izy ireo firaisan-kina…
