TARIKA « RUIDY’S MANAMPISOA » : Mivoy ny « Mozika evenjelika tropikaly »

Ny taona 2015 no nanomboka nanakorisa ny peniny ho amin’ny famoronana hira mitaiza fanahy hifikitra mandrakariva amin’Andriamanitra sy manome fahafinaretana ny saina amam-batana amin’ny alalan’ny kanto an-kira i Ruidy Manampisoa. Mpanakanto vao erotrerony ny tovolahy, resy lahatra, fa mila ampiasaina ho amin’ny asa fitoriana ny filazantsara ny talenta avy amin’ilay Ray mpahary…

FIHAONAM-BEN’NY FIVOI-FIVOARANA TENY IMERINTSIATOSIKA : Mitaky ny hanatanterahana fifidianana sefom-pokontany

Hetsika roa sosona no notontosain’ny birao sy ny Solombavambahoakan’i Madagasikara avy amin’ny antoko Fivoi-Fivoarana, ny Alarobia 05 Febroary 2025, teny Imerintsiatosika. Teo aloha ny fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao. Ankoatra izay ny fanolorana sy ny fampahafantarana ireo Ben’ny tanàna miisa 52 lany tamin’ny anaran’ny Fivoi-Fivoarana manerana ireo Distrika maro samihafa. Hetsika izay nosokafana tamin’ny alalan’ny Diabe mamakivaky tanàna…

« FAHANO NY SAINA SY NY FANAHY » : Gazety boky Kristianin’ny “Madagascar 3M”

Ny famoahana ny Gazety boky Kristianina «Fahano ny saina sy ny fanahy» no nampahafantaran’ny fikambanana “3 M publishing” teny amin’ny foiben’ny Kristianina «Madagascar 3M» eny Ambatoroka, ny talata lasa teo. Izy ity izay hahitana pejy 50 ka avoaka ho an’ny daholobe isaky ny telo volana. Vina apetraka ny hanakaran’ny kristianina ny tenin’ny Soratra Masina amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny kolontsaina tia vaky boky…

KAOMININA BONGATSARA : Miroso amin’ireo asa fampandrosoana marolafy

« Vahoaka milamina, Bongatsara mandroso, ataoko mahita fampandrosoana ». Io no teny filamatra nofinidin’ny ben’ny tanànan’ny Bongatsara, Distrikan’Atsimondrano, faritra Analamanga, Rabenandrasana A. Marie Richard « Dadarisa ». Ahitana fokontany miisa fito ary mponina manodidina ny 30 000 izay mifototra amin’ny asa fambolena sy fiompiana ny ankamaroany ny Kaominina Bongatsara…

TOETRANDRO MAHERY VAIKAN’NY TAONA 2024 : Nampikorontana ny fampianaran’ny ankizy maneran-tany

Araka ny tatitra navoakan’ny “Unicef” dia mpianatra miisa 242 tapitrisa avy amin’ny firenena miia 85 maneran-tany no niaina ny fikorontanan’ny fampianarana noho ny loza ateraky ny toetrandro mahery vaika nandritry ny taona 2024. Io toetrandro mahery vaika avy amin’ny rivo-doza sy ny tondran-drano ary ny onjan’ny hafanana miampy ny hain-tany io izay miantraika amin’ny sehatry ny fampianarana…