ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY FANABEAZAM-PIRENENA : Lohahevitra ny « L’IA et l’éducation : préserver l’autonomie dans un monde automatisé »

Ny 24 janoary no Andro Iraisam-pirenena ho an’ny fanabeazana. « L’IA et l’éducation : préserver l’autonomie dans un monde automatisé » no lohahevitra nankalazana izany tamin’ity taona ity. Tsy diso anjara tamin’ny fanamarihana ny teto Madagasikara. Manaporofo izany ny fiaraha-miasan’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny « Unicef »…

FIFANINANANA NAMPANAOVIN’NY “UNFPA” SY NY MASOIVOHO NORVEZIANINA : Nibata amboara ny mpanao gazetin’ny “REMAPSEN”

“Ny fandraisana an-tanana ireo reny mitondra vohoka sy ny zaza”. “Ny fandrindram-piterahana”. “Ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy sy ny mahavavy”. Ireo no sokajy miisa telo natolotry ny Tahirin’ny Firenena Mikambana momba ny mponina na ny “UNFPA” ny mpanao gazety mba handraisan’ izy ireo anjara amin’ny fifaninanana ho amin’ny asa soratra sy vokatra avoakan’ny mpanao gazety.

Fijaliana ny orana

Marina fa ilaina ny orana amin’ny fambolena. Nefa amin’ny faritra iva toy ny Antsahakely-Besarety dia fijaliana ny orana. Tsy misy fahafinaretana intsony fa tena loza mihatra ary tena mahafaty olona. Iny orana farany iny dia tena niakatra ambon’ny rano, nitondra fako maloto isan-karazany hatrany amin’ny tokantrano. Ny aretina tsy lazaina intsony. Potika daholo ny entana ao an-trano, ary lasa traboina…

TETIKASA ARABE MIGODANA : Miteraka olana ara-tany sy ara-tsosialy

Tamin’ny voalohany dia tokony handalo tany avaratr’Ambohimanga Rova, amin’ny tanim-panjakana, ny zotran’ny arabe migodana izay kasaina hamboarina. Nisy fakan-kevitra teny Ambatolampy Tsimahafotsy ary nanaiky ny handalovan’ny zotran-dalana ny ankamaroan’ny olona teny. Ny volana novambra 2024 anefa dia nanova io zotra io ho any atsimon’ny Rova ny orinasa mpanatanteraka ny tetikasa sy ny Ministeran’ny Asa Vaventy. Tsy nisy fifampidinihana tamin’ny mponina, ny tompon-tany, na ireo vondrom-piarahamonina voakasika anefa mialohan’izany fanapahan-kevitra izany. Io fiovana io izay mitarika olana ara-tany sy ara-tsosialy lehibe ho an’ny mponina eny amin’iny faritra iny ankehitriny…

« SALON DU LOISIR » ANDIANY FAHAROA : Ahitana kilalao maherin’ny 70 isa

Ny andiany faharoa amin’ilay hetsika ara-pialam-boly « Salon du loisir » izay karakarain’ny « Magic Land » no hotanterahana eny Ivato, ny 8 sy ny 9 febroary 2025. Ity andiany faharoa ity izay hiavaka noho ny tamin’ny andiany voalohany izay notontosaina ny 2 sy ny 3 novambra 2024 teny Ivato noho izy nohatsaraina kokoa no sady ahitana karazan-dalao maro an’isa…