11 andro katroka anio 4 febroary 2025 no nandraisan’ny ben’ny tanànan’ny kaominina Itaosy, Rasolofo Haja, ny fiadidiana ny tanàna. Fiovana goavana no nentin’ity mpiandraikitra ny tanàna ity nandritra izay fotoana izay. Manaporofo izany ny nanombohany ny lamina fanatsarana ny fomba fiasa ao amin’ity kaominina ity. Napetrany amin’ireo mpiasa matihanina ny fikirakirana ny taratasy indrindra fa ireo ilain’ny mpianatra amin’izao vanim-potoana fikarakarana ny antontan-taratasim-panadinam-panjakana izao mba hamitana haingana ny asa; anisan’izany ny kopia.
Ankoatra izay dia nametraka paikady vavao entina miady amin’ny kolikoly ihany koa ny ben’ny tanànan’ny kaominina Itaosy, Rasolofo Haja. Tsy azo atao araka izany ny miresaka eny ivelan’ny biraom-panjakana mba hisorohana izany kolikoly izany. Tsy ny fandaminana anatiny ihany araka izany no himasoan’ny ben’ny tanànan’ny kaominina Itaosy, Rasolofo Haja, fa na ny fanatsarana ny tanàna amin’ny ankapobeny aza. Tanjony ny hitondra fampandrosoana ao amin’ity kaominina izay rafetina fokontany miisa enina ity. Laharam-pahamehana ho azy ny fidinana ifotony hijerena izay manolon-koditra ny mponina izay. Anisan’izany ny fanadiovana ny tanàna izay efa vonona amin’izany ireo fitaovana hampiasaina. Eo ihany koa ny fanamboarana fotodrafitrasa izay hiarahany amin’ny fitondram-panjakana toy ny lalana. Ny fitarihana rano avy any amin’ny kaominina Ambohitrimanjaka any amin’ny distrikan’Ambohidratrimo. Izy io izay tetikasan’ny filoham-pirenena ka handalo eny amin’ny kaominina Itaosy. Hisy ny fitehirizana rano amin’izany izay hiarahana amin’ny minisitera mpiahy mba hamatsiana sy hampisitrahana rano ireo mponina eny amin’ny kaominina Itaosy. Ny kaominina Itaosy izay hahazo rano 3.000 m3 amin’izany fitarihana rano miainga avy any amin’ny kaominina Ambohitrimanjaka any amin’ny distrikan’Ambohidratrimo izany ka handalo eny amin’ny kaominina Itaosy.
Ankoatra ireo dia vaindohan-draharahan’ny ben’ny tanànan’ny kaominina Itaosy, Rasolofo Haja, ny fanampiana ireo tanora tsy an’asa eny an-toerana. Hisy ny fampiofanana maimaim-poana arak’asa ho azy ireo. Andalam-pandinihana ny fanantanterahana izany ny ben’ny tanàna sy ireo tomponandraikitra miantsoroka izany amin’izao fotoana izao. Ny ben’ny tanàna, Rasolofo Haja, izay nametraka fa zava-dehibe ho azy ny fampandrosoana ny tanàna izay iadidiany. Eo ihany koa ny fanatanterahana ny tarigetran’izy ireo manao hoe: “Tena mifantoka amin’ny tombontsoam-bahoaka ny kaominina”. Tsy maintsy mandroso araka izany ny kaominina Itaosy araka ny fanamafisany ary efa vonona hiara-hiasa amin’ny fitondram-panjakana ny kaominina amin’ny fanatanterahana izany, araka ny fanazavana voaray.


