KAOMININA TANJOMBATO : Roso amin’ny fanatanterahana ireo asa fampandrosoana marolafy

« Tsy misy andraso andraso ny fanatanterahana ireo asa fampandrosoana nosoritana sy nampahafantarana ireo mponina, anatin’ny fokontany miisa dimy mandrafitra, ny Kaomnin’ny Tanjombato, nandritra ny fampielezan-kevitra », hoy ny ben’ny Tanàna vaovao Rakotoniaina Fréderic, izay avy amin’ny Antoko Tiako i Madagasikara ary notahanan’ny Vondrona Firaisankina.

FIANGONANA « MANAMBOARA VATSY » : Miroborobo ny asa fitoriana hataony…

Ny Sabotsy 25 Janoary dila teo, tao amin’ny Espace Fihantana Ambohimangakely, no nanatanterahan’ny avy eo anivon’ny Fiangonana Manamboara vatsy, tarihan’ny Evenjelisitra Maminirina Rolland Guy, ny « Tsodrano lehibe ». Fotoana sy fihaonam-be izay nentina ihany koa nifampiarahabana noho ny taona vaovao eo amin’ireo mpiray fanantenana sy ny Evenjelisitra ary nahafahana nanao jery todika ny taona lasa sy hibanjinana ny hoavy…

NOSY SAKATIA : Tonga saina ny mponina

Nitombo ny isan’ny mponina tezitra amin’ny Fanjakana izay manafina ny fifanarahana an-tsokotsoko amin’ny mpandraraha Emirates mikasa hanorina hotely ao amin’ny tanindrazany. Mitombo isa hatrany ireo nanao Sonia tamin’ny fangatahana natao ary tsy hijanona hanaiky ny zava-misy ankehitriny ny mponina ao amin’ny Nosy Sakatia. Toy izao izany taratasy efa nalefanay teto ihany.

FADINTSERANANA MALAGASY : Ny 80 % amin’ny fandaharanasa fanavaozana no efa tontosa

Ny 26 janoary no hankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Fadintseranana. Ny Fadintseranana Malagasy dia nanatontosa izany, ny 24 janoary lasa teo, teny Anosy. Tamin’io fotoana io no nanambaran’ny tale jeneralin’ny Fadintseranana Malagasy, Lainkana Zafivanona Ernest, fa hatomboka amin’ity taona 2025 ity ny Drafitra Stratejika 2025-2029, izay mifantoka amin’ny laharam-pahamehana telo lehibe…

« SALON VERS L’EMPLOI » : Tolo-tanana ho an’ireo te hizatra asa sy mpitady asa

Ny andiany faharoa amin’ny « Salon vers l’emploi » izay karakarain’ny « Malagasy Créative » no hetsika tanterahana eny amin’ny « Hôtel Oriental International » Ankazomanga, nanomboka ny 23 ka hatramin’ny 25 janoary 2025. Ity tolo-tanana ho an’ireo rehetra te hizatra asa sy mpitady asa ity dia naompan’ny tomponandraikitra mpikarakara, Ralijaona Diamondra, amin’ireo sehatrasa maro samihafa hita eto Madagasikara…

ONG TSARAMANASOA : Mandray an-tanana ny sahirana

Na ny fandraisana an-tanana ireo ankizy sahirana ara-pivelomana na ny fandraisana an-tanana ireo zanaky ny olona nahavita sazy teny amin’ny fonja na ny fandraisana an-tanana ireo vehivavy niharan’ny herisetra dia iantsorohan’ny ONG Tsaramanasoa avokoa. Ity “Centre du jour” izay manana ny foiben-toerany eny amin’ny Hopitaly Itaosy ity dia tantanan’ny filoha mpanorina azy, Ranaivoson Patrice, efa 20 taona mahery izao…