Mihamitombo isa hatrany ireo mpanakanto misafidy ny hiara-dia amin’ny orinasam-pifandraisana Yas. Tamin’ity taona vaovao 2025 ity dia ny mpanakanto Rijade no nisantatra izany fiaraha-miasa izany. Nampahafantarina, ny alatsinainy lasa teo, teny Andraharo, fa tafiditra ho anisan’ireo ambasadaoro sy fianakaviam-ben’i Yas Madagascar, ny mpanakanto Rijade.
Catégorie : Samihafa
FIANGONANA « FMJK » : Manabe ara-panahy, saina ary vatana
Ny taona 2015 no niorina ny Fiangonana Mitory an’i Jesosy Kristy izay manana ny foibeny, etsy Namontana. Ny Apôtre Randrianjanahary Rado, no angady nananana sy vy nahitana azy. Ity farany izay nahazo ny antso sy ny fanirahana ary ny fahitana avy amin’Andriamanitra ny amin’ny hanapariahana ny fampianarana ny filazantsara mifaka amin’izay voarakitra anatin’ny baiboly manerana izao Tontolo izao ary ny fametrahana mandrakariva fa i Jesosy Kristy no ivon’ny asa fitoriana izay atao…
Tandidomin-doza ny mponina ao Nosy Sakatia sy ao amin’ny nosy kely rehetra ao avaratr’i Madagasikara
Iaraha-mahalala fa nitombo ny fahalianan’ny mpampiasa vola amin’ny tany ho volena taorian’ny krizy ara-sakafo sy ara-bola eran-tany manodidina ny taona 2008 ka mitombo ny fangoronan-tany na accaparements de terre. Anisan’ny manavaka an’i Madagasikara hatramin’io vanim-potoana io ka hatramin’izao dia ny mpitondra fanjakana eto an- toerana mihitsy no manasa sy miantso ny vahiny haka ny tany malagasy…
POLITIKAM-PITONDRANA : Fatahorana ny vahoaka ny fidinan’ny vidin-solika
Tsy afa-miala amin’ny fepetra apetraky ny Mpamatsy vola iraisam-pirenena toy ny Banky iraisam-pirenena sy ny FMI, ny firenena Malagasy. Tsy maintsy arahina ny fepetra raha tsy izay dia voasazy tsy mahazo fanampiana intsony. Efa voalaza hombieny hombieny fa tsy maintsy hiakatra io vidin’ny solika io. Nalefa aloa ny fiakaran’ny solintany (pétrole lampant). Tsy nisy nitabataba fa toa nanaraka daholo, ary niandry ny fiakakaran’ny solika.
POLITIKA : Mivondrona ny hery rehetra
Toa misy rivotra ny fiovana mandrakotra ny firenena. Tsy mety tokoa ny fomba fitondrana azy ka mampieritreritra. Mila fiovana ny mpanao politika arak’izao fanambarana izao.
FIKAMBANANA « IRAY ISIKA » : Mijoro hamonjy fanahy sy hanabe ho « Olom-banona »
Tsy afa misaraka ny fanabeazana sy ny famolavolana ny fanahy, ny vatana ary ny saina raha te hanana Olombelona vanona ny firenena iray. Mifototra amin’izany indrindra ny antony nananganan’ny Pasitera Arinelina ny Fikambanana Kristianina « Iray isika ». Ity farany izay ivondronan’ireo Kristianina resy lahatra ny hitory ny filazantsara amin’ny alalan’ny hira, teny, asa soa amin’ny endriny marolafy…
EZAKA AMIN’NY FAMONOANA AFO : Miara-mientana ny mpisehatra rehetra
Maro ireo faritra may eto Madagasikara noho ny doro ala sy ny doro tanety amin’izao fotoana izao. Manoloana izany indrindra dia samy mandray andraikitra amin’ny fiaraha-mientana entina handresena ny afo ny mpisehatra rehetra. Miainga amin’ny fitondram-panjakana sy ireo sehatra tsy miankiana izany ka hatrany amin’ny Vondron’olona ifotony…
SAMPANA MPAMONJY VOINA ENY TSARALALANA : Miezaka manatsara hatrany ny famonjena voina
5% amin’ireo antso an-taroby miisa 200 voarain’ny Sampana Mpamonjy voina eny Tsaralalana ihany no tranga tena misy fa hanihany fotsiny ihany ny ambiny. Manoloana ny tranga misy dia handray fepetra ny Sampana Mpamonjy voina ka hiara’-hiasa amin’ny mpitandro filaminana sy ireo orinasam-pifandraisana misy eto Madagasikara izy ireo mba hanenjika ireny olona manadala fotsiny ihany ireny…
TSY FANARAHAN-DALÀNA TAMIN’NY FIFIDIANANA BEN’NY TANÀNA TANY MAHAMBO : Miantso fandraisana fanapahan-kevitra ny mponina
Miantso ny handraisana fanapahan-kevitra ara-drariny manoloana ny tsy fanarahan-dalàna tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna tany Mahambo-Fenoarivo Atsinanana ny mponina any an-toerana. Nanao fanambarana iraisana ny mponina sy ny fikambanan’ny Tangalamena avy amin’ny fokontany miisa 26 mandrafitra ny kaominina Mahambo any amin’ny distrikan’i Fenoarivo Atsinanana any amin’ny faritra Analanjirofo, ny 9 janoary lasa teo…
TAOM-PIANARANA 2024-2025 : Miditra amin’ny roa volana fahatelo
Ny alatsinainy 6 janoary lasa teo no niverina niditra an-tsekoly indray ny ankabeazan’ireo mpianatra rehetra eto Madagasikara. Ny roa volana fahatelo amin’ny taom-pianarana 2024-2025 amin”izao fotoana izao araka izany no atrehan’ ireo sekoly rehetra manerana ny Nosy ka eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena ireo…
