Noho ny firongatry ny doro ala sy ny doro tanety izay manapotika ny firenena Malagasy ankehitriny dia nanao fanambarana ny FOkonolona miaro sy MItantana HArena VOajanahary ao anatin’ny TAFO MIHAAVO miaraka amin’ny FANONGA FOKONOLONA izay ao anatin’ny Firaisa-monim-pirenena avy amin’ny faritra 23 eto Madagasikara, androany zoma 10 janoary 2025, teny Amparibe…
Catégorie : Samihafa
HPM-ACS-FMKT-KIMM : Miantso fifampidinihana ho an’ny firenena
Fanambarana voalohany niraisan’ny Hery Politika Mitambatra (H.P.M), ny “Amicale des Anciens CST et Senateurs de Madagascar” (A.C S) sy ny Fikambanan’ny mambran’ny kongresin’ny tetezamita (F.M.K.T) ary ny Komity iombonan’ny mpiasa Malagasy (K.I.M.M), ny fiantsoana ny hery velona rehetra eto amin’ny firenena mba hiara-hidinika amin’ny alalan’ny fifanakalozan-kevitra manoloana ny zava-misy eto Madagasikara…
FAHAPOTEHAN’NY TONTOLO IAINANA ETO MADAGASIKARA : Hanangana paikady ny Mpisera dia
Manoloana ny fahamaizan’ny ala sy ny zava-mananaina ary ny doro tanety indrindra fa ny fahapotehan’ny tontolo iainana dia mivoaka tamin’ny fahanginany ireo avy ao amin’ny Mpisera dia. Izy ireo izay manana paikady ka hanangana izany ho entina amin’izay fiarovana ny tontolo iainana izay…
JYEUHAIR : Hanatanteraka fampisehoana indroa miantoana eny Ambatobe
Hanatanteraka fampisehoana eny amin’ny ONY House Ambatobe, ny 10 sy ny 11 janoary ho avy izao, i Jyeuhair. Izy izay mpanakanto Malagasy nipetraka any France efa nandritry ny 16 taona ary efa fanta-daza maneran-tany. Ity seho voalohan’i Jyeuhair eto Madagasikara ity izay hotronin’ny mpanakanto malagasy Joyce Mena Makua ka hiantsehatra amin’ny tapany voalohan’ny fampisehoana araka izany ny tenany…
ANTSAHAKELY BESARETY : Maimbo !
Maimbo ny fokontany maro eto an-drenivohitra, ary tena ny ambany tanàna no tena iharan’ny tsy mety. Toy izany ny eny Besarety-Antsahakely. Misy fanariam-pako eo amin’ny Antanimalalaka izay simba ka mamindra ny fako ao anaty lakan-drano maloto, izay toeram-pivoahan’ny olona maro…
FOMBAN-DRAZANA MALAGASY : Fantaro ny « Alahamadibe »
Ilay andro voalohany ao anatin’ny volana voalohany, anatin’ny « taona gasy». Io no atao hoe : « Alahamadibe » Rehefa tonga ireo Frantsay mpanjanatany dia tsy maintsy novaina ho « Taom-baovao Malagasy » ny niantsoana ny « Alahamadibe » noho ny fisian’ny lalàna nandrara ny fanatanterahana ny « Alahamadibe » nataon’ireo mpanjanan-tany…
SACUA : Nahomby ny fitantanan’ny PDS
Fitaratra tanteraka ho an’ireo mbola hitantana ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) ny fahamendrehan’ny fomba fiasan’ny filohan’ny Delegasiona Antananarivo Renivohitra (PDS), Alexandre Georget, nandritra izay fe-potoana niasany izay. Nahay niara-niasa tamin’ireo mpiasa rehetra tao amin’ny CUA ny tenany.
NOSY MITSIO : Inona no fifanarahana mety ho nataon’ny mpampiasa vola emirati sy ny Filoham-pirenana ?
Mohamed Alabbar, mpandraharaha Emirati, dia naneho ny fahalianany hampiasa vola amin’ny sehatry ny fizahan-tany, fambolena, angovo ary fotodrafitrasa, indrindra ny làlana, nandritra ny fitsidihany an’i Madagasikara tamin’ny volana Oktobra 2024, amin’ny alalan’ny iray amin’ireo orinasany, Emaar Properties na Eagle Hills. Araka ny vaovao farany dia liana manokana izy amin’ny Nosy Sainte-Marie sy Nosy Iranja. Fa i Nosy Mitsio no nosy voalohany hanaovana « fifanarahana » eo amin’ny Filohan’ny Repoblika sy ity mpandraharaha malaza ity…
SARIMIHETSIKA VITA MALAGASY : Miala any ny « Andilamainty »
« Andilamainty », tantara mampangitakitaka ifamahofahoan’ireo endrika ditraditra azo ambara fa tsy misaraka loatra amin’ireo adolantsento miatrika ny fahatanorany. Tanora maromaro no nanao fandaharam-potoana hiara-hivoaka kely ny Renivohitra mba « hanala azy » kanjo tojo tranga mampivarahontsana miseho amin’ny endrika marolafin’ny « fanahy ratsy ». Hahatohitra ireo rehetra ireo àry ve ireto andian-tanora « nihoa-pefy » hihazo an’Andilamainty ireto sa… ? Ny 11 Janoary 2025, amin’ny roa ora tolakandro, etsy amin’ny CCESCA Antanimena izay handefasana azy ity voalohany ho an’ny eto Antananarivo no hahafahana mamaly izany…
GROUPE « MI’TONY » : Mampiasa ny talentany ho amin’ny asa fitoriana
Ny volana May 2022 no tafajoro ny « Groupe Mi’tony » (Mirana sy i Tony) izay mpivady no namorona azy. Tsanganasan’izy ireo voalohany tamin’izany ny « Ny fahasoavanao ». I Mirana sy i Tony izay efa samy nilona ela tanatin’ny fikirakirana ny « mozika evenjelika »…
