Ny volana May 2022 no tafajoro ny « Groupe Mi’tony » (Mirana sy i Tony) izay mpivady no namorona azy. Tsanganasan’izy ireo voalohany tamin’izany ny « Ny fahasoavanao ». I Mirana sy i Tony izay efa samy nilona ela tanatin’ny fikirakirana ny « mozika evenjelika ». I Mirana « lead vocal » tamin’ny Fiangonana iray ary i Tony mpitendry zavamaneno, teo anivon’ny Fiangonana ihany koa. Najoro ny Groupe « Mi’tony mba hahafahana manome voninahitra ny Tompo izay nanome ny talenta ary ny hanabeazam-boho hatrany ny asa fitoriana ny filazantsara ho an’ny Olombelona rehetra tsy ankanavaka amin’ny toerana rehetra.
Anisan’ny mampiavaka ireo tsanganasan’ny « Groupe Mi’tony » ny tononkiran’izy ireo sahaza ny rehetra. Tsy anavahana na mpino na tsia, hoy i Tony. Maro amin’ireo mpino Silamo no mankafy ny mozikan’ny Groupe « Mi’tony » Tsy mifidy sokajin-taona ihany koa ny fankafizana ny hiran’izy ireo. Tendrena avokoa ireo zavamaneno rehetra rehefa miantsehatra ny tarika fa tsy manao « playback » na mampiasa ny « Programmation » Tsotra ny antony dia ny ahafahana mampiaina bebe kokoa ireo hira sy ny hanasongadinana ilay « fanahy » raiketin’izy ireny, hoy hatrany i Tony. Nomarihan’i Tony hatrany fa bitsika sy tolo-tsaina avy amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanahy masina no ahafahany mamorona ireo tononkira izay mampita hafatra natsakaina avy amin’ireo trangam-piaraha-monina andavanandro. Azo ambara, araka izany, fa « miresaka » ny tono nkiran’ity tarika ity izay voarindra ihany koa amin’ny fomba tsotra nefa kanto. Milalao ny gadona rehetra ny tarika « Mi’kanto » Afaka manafana lanonana, fanatanterahana seho an-tsehatra ary ny fitoriana an-kira ry « Mi’tony » Misokatra malalaka amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo Olon-tsotra, fikambanana, Fiangonana vonona hanabe voho ny asa fitoriana ny filazantsara, , sns ny tarika. Ny « Mi’tony ofisialy » no pejy face book ny tarika. Anisan’ireo hira efa tsy afaka am-bavan’ny maro nojarian’ny « Mi’tony » ihany koa ny « Ny hatsarany ».


