GROUPE « TAMMY FJ » : Mivoy ny « Afro beat »…

Tammy, midika hoe : « Tanala » avy any Manjaka Anadabo ary ny FJ, fanafohezana ny hoe : Florent sy i Junior. Ireto farany izay mpirahalahy mianala nanangana ny Groupe « Tammy FJ ». Mirona bebe kokoa ho amin’ny fiangaliana ny « Afro beat » izy mirahalahy ireto. Tsy mijanona hatreo amin’izay anefa fa mikaroka ny fomba hamokarana mozika vaovao avy amin’ny fampiarahana ny « Afro beat » amin’ireo gadon-kira hafa tahaka ny tsapiky sy ny Zouk love, sns…

« LEHILAHY MAHERY » : Tontosa ny « Joro be », mitohy ireo asa fanasoavana ny Mpiara-belona

Tontosa ny Alahady 15 desambra dila teo iny ny fanatanterahana ny « Joro be » tamin’ny alalan’ny Famonoana omby notarihan’ny Lehilahy mahery » narahana « Fisaikana » na fidiovana ary fitsaboana sy famahana ny olan’ireo Olombelona isam-batan’olona maro be tonga tetsy Namontana Anosibe, toerana fandraisan’olona ho an’ny « Lehilahy mahery ». Ity farany izay misehatra amin’ny fitsaboana miaraka amin’ireo « Zava-manakasina » ho amin’ny fikatsahana ireo mahasoa ny fiainan-janak’Olombelona…

MPANAKANTO « NAST’EM » : Vonona ny hiroso lalina amin’ny Mozika

Nasandratra Eric Manana, io no tena anaran’ity mpanakanto vao erotrerony, Zanak’Ambohimandroson’Antsirabe ity. Ny taona 2021 no efa nitrandraka sy nikirakira ny kanto an-kira sy mozika i Nast’em. Ny fiangaliana ny mozika rap no niatombohany. Ankehitriny, tapa-kevitra ny hiroso lalina kokoa amin’ny fandalinana sy ny fizarana ny vokakantony eo amin’ny sehatry ny mozika ny tovolahy…

NOSY SAKATIA : Antso avo ho an’ny Filoham-pirenena hampitsahatra sy hanasazy ny fanitsakitsahana ny lalàna sy ny kolikoly ary ny fangoronan-tany ataon’ny orinasa Green Mada Land

Tamin’ny 03 oktobra 2024 dia nandefa taratasy misotraka tamin’ny Filoham-pirenena ny fikambanana manao sonia ity fanambarana ity, nametraka fanontaniana mikasika ny fampanofana tany mandritry ny 99 taona (bail emphytéotique) nifanarahan’ny mpampiasa vola lehibe fanta-daza ao amin’ny orinasa Green Mada Land sy ny manam-pahefana Malagasy, mikasika ny Nosy Sakatia ao amin’ny faritra Diana any avaratra-andrefan’i Madagasikara…

GROUPE « HELL’S » : Mivoy ny « Rock fusion », manandratra ny fandriampahalemana

Tany amin’ny taona 2017 no efa nijoro ny Groupe Hell’s (Fanafohizana ny hoe : « Hell rush ». Ankehitriny, i Chloé Soavina, vavitokana anatin’ny tarika miantsoroka ny lafiny feo sy fitendrena ny vatamaroafitsoka, Lallah Ramaharoson, mitendry ny apongamaroanaka, Andry Ramamonjisoa sy i Karim Djinah no miangaly ny gitara. I Mampionona amin’ny gitara beso no mandrafitra ny Groupe « Hell’s »…

FANANAN-TANY : Miahiahy ny mponina ao Nosy Mitsio

Ho tohin’ny fanambarana nivoaka teo aloa teo, dia tonga eto Antananarivo ireo solon-tenan’ny Mponina ao Nosy Mitsio, izay tarihin’ny Prezidan’ny Fikambana Tsarajoro Ankarana, Atoa isany Betombo, Abdoramany Mahamoudo, Jaokamisy, ary Bahja. Nisy ny fihoanana tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny SIF, Sehatra ifotony amin’ny Fananantany (SIF) teny Faravohitra. Tena matahotra sy miahiahy ry zareo amin’izany fametrahana Hotely lehibe izany ataon’ny Emirates, ary efa nambaran’ny Filoha Rajoelina tamin’ny volana Jona 2022…