Ho tohin’ny fanambarana nivoaka teo aloa teo, dia tonga eto Antananarivo ireo solon-tenan’ny Mponina ao Nosy Mitsio, izay tarihin’ny Prezidan’ny Fikambana Tsarajoro Ankarana, Atoa isany Betombo, Abdoramany Mahamoudo, Jaokamisy, ary Bahja. Nisy ny fihoanana tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny SIF, Sehatra ifotony amin’ny Fananantany (SIF) teny Faravohitra. Tena matahotra sy miahiahy ry zareo amin’izany fametrahana Hotely lehibe izany ataon’ny Emirates, ary efa nambaran’ny Filoha Rajoelina tamin’ny volana Jona 2022…
Catégorie : Samihafa
TONTOLON’NY FITSABOANA NENTIM-PAHARAZANA : Ho fongana noho ny doro tanety
Nahitsy ny fanehoan-kevitra nentin-dRazafindralamina Nomenjanahary Alexis Joli, fantatry ny maro amin’ny hoe : « Joli » eo amin’ny sehatry ny fitsaboana nentim-paharazana mifototra amin’ny fampiasana ny ravinkazo sy ny fanomezam-pahasoavana avy amin’ilay Nahary nolovainy tamin’ireo Ray aman-dreniny amin’ny fanorana ho fanohizna ny taolana tapaka. « Tsy loza manambana fa efa loza mihatra amin’ireo mpisehatra amin’ny fitsaboana nentim-paharazana ankehitriny ny faharinganan’ireo ravinkazo fampiasa hitsaboana ireo marary noho ny doro tanety, fanaovana tavy, sns », hoy i Joli…
MAMINIRINA RESTOGASY – N° 2 BONGATSARA : « Vonona aho ny hampandroso an’ny Bongatsara »
Maminirina Restogasy, Renim-pianakavina tanora, avara-pianarana, Zanaky ny Kaominina Bongatsara. Tonga ny fotoana handraisana an-tanana ny fampandrosoana an’ny Bongatsara, hoy i Maminirina Resto gasy, Kandidà ben’ny tanàna, mitondra ny laharana faharoa anatin’ny biletà tokana. Natolotry ny tsy miankina « Krsitianina sahia mampandroso »…
« REVEILLON 2024 » ESPACE VOHIMASINA : Hiray sehatra i Tirike sy Samöela
Ho fararanon-gadon-kira maroloko ary ho ambohipihaonan’ireo tsiron-tsakafo mafilotra ny etsy, amin’ny Espace Vohimasina, Ambohibao Ambohijanahary – Domaine Manerinerina, ny alin’ny 31 desambra hoavy izao. Mpanakanto roa ngezalahy sy matihanina amin’ny sehatry ny mozika ahitana an’i Tirike sy i Samoela no nofidian’ny HM Restaurant sy ny Espace Vohimasina, hanafana ny sehatra ho fanomezana fahafaham-po ny rehetra amin’ny maha fetim-pianakaviana ny alin’ny 31 desambra…
Hanova an’Antananarivo
Raha zohina ny fandehan’ny raharaham-pifidianana izay hitondra ny tànana eto an-drenivohitra dia anisan’ny ho tsara toerana i Tahina Razafinjoelina sy Toavina Ralambomahay…
FANJA N°1 ANDOHARANOFOTSY : « Ny fahantrana no fahavalo iombonana… »
« Vinam-pampandrosoana efa maty paika mamaly ireo filan’ny mponina mifototra amin’ny fampiharana ny fitantanana mangarahara eo anivon’ny Kaominina Andoharanofotsy ahafahana mandresy ny fahantrana. Io no hampahafantarina ny vahoakan’Andoharanofotsy, anatin’izao herinandro faharoan’ny fampielezan-kevitra izao » hoy ny Kandidà Fanja Raharimanana, mitondra ny laharana voalohany, ao anatin’ny Biletà tokana, atolotry ny antoko Tiako i Madagasikara ary tohanan’ny Vondrona Firaisankina hofidina ben’ny Tanàna sy mpanolontsaina.
DR NAINA – AMBOHIMANGAKELY : Vonona hanohy ireo asa fampandrosoana…
Dokotera Naina, mitondra ny laharana faha- 05 anatin’ny Biletà tokana ho amin’ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolontsaina hotanterahana, ny 11 desambra ho avy izao. Mirotsaka amin’ny anaran’ny mahaleo tena. Tsy atoro voanjo hadiana amin’ny fitantanana sy ny fampandrosoana ny Kaominina i Andrianarison Harinaina Olivier « Dr Naina » noho izy efa ben’ny tanànan’Ambohimangakely nandritra ny roa ambinifolo taona…
FANAMPIANA IREO MANA-MANJO : Amperinasa ny « Maison funéraire Henikaja »
Ho fanampiana sy fanaimavanana ny fahasahiranan’ireo fianakaviana nidonam-pahoriana noho ny famoizana havana ary koa ho fanatanterahana ara-bakiteny ilay fomba fiteny hoe : « Tsara levenana ny Maty ary heni-kaja ny Velona » ho famoronana asa ho an’ireo mpiara-belona. Ireo mitambatra no antom-pisian’ny Maison funéraire « Henikaja » niorina ny taona 2018, eny, Ambohimangakely…
LEHILAHY MAHERY : « Mitondra soa sy fampandrosoana ny fampiasana ny fomba nentim-paharazana… »
Lehilahy mahery, mpandala ny fomba nentim-paharazana misy manerana ny Nosy ary saropiaro amin’ny fiarovana ny hasin’ny tany, rano ary ny kakazo malagasy. « Ampiasaiko ho amin’ny fanampiana ireo mpiara-belona amiko tsy ankanavaka ho amin’ny mahasoa azy ireo ny fikirakirako ireo fomba nentim-paharazana malagasy », hoy i Lehilahy mahery…
SEHO « MIZARA HAFALIANA » : Hampiara-dalana ny mahasoa sy ny mahafinaritra
Ny Antoko mpihira « Miantsa Magis » mijoro eo anivon’ny Eglizy Katolika Romanina, Masindahy Joseph Bezaha Toliary, ny tarika Haga amin’ny endriny feno, i Mamina Kanto gasy ary i Ravaka. Ireo no hifandrimbona hanolotra ny rindran-kira « Mizara hafaliana » Hotanterahana ny tolakandron’ny Sabotsy 23 Novambra ho avy izao, etsy amin’ny CCESCA Antanimena…
