Fréderic Rakotoniaina, fantatry ny mponin’ny Tanjombato amin’ny hoe : « Président Naina » Monina ao Tongarivo Ambaniatsimo, ny taona 1970. Mandraharaha eo amin’ny sehatry ny varotra sy mpanafatra entana avy any Dilambato. Miara-miasa akaiky ihany koa amin’ireo Mpandraharaha maro eto an-drenivohitra. Mpanabe sy mpitaiza tanora ary misehatra amin’ny taranja baolina kitra sy ny haiady i Fréderic Rakotoniaina…
Catégorie : Samihafa
KAOMININA ANDOHARANOFOTSY : Fanja Raharimanana N°1, Vavitokana vita sedra
Fanja Raharimanana, fantatry ny maro eny Andoharanofotsy amin’ny hoe : Fanja. Izy no Kandidà Andriambavilanitra, natolotry ny Antoko Tiako i Madagasikara (TIM) Andoharanofotsy ary tohanan’ny Vovonana Firaisankina. Mitondra ny laharana voalohany, anatin’ny Biletà tokana, ho amin’ny fifdidianana ben’ny tanàna sy mpanolontsaina, hotanterahana, ny 11 desambra ho avy izao.
KAOMININA BONGATSARA : Rija Ranirison, olom-baovao vonona hitondra fampandrosoana
Ranirison Rija, Zanaky Bongatsara zato isan-jato avy amin’ireo nahitany masoandro (Rainy sy ny reniny). Eo amin’ny lafiny finoana, Diakona ao amin’ny FJKM Anjomakely Fitiavana izy mivady. Mpandraharaha eo amin’ny lafiny fitaterana sy ny sehatry ny asa volamena ary misehatra mavitrika amin’ny asa fambolena sy ny fiompiana ihany koa i Rija Ranirison.
TARIKA « M’IRAY KALO » : Tanora mivoy ireo « Kalon’ny fahiny »…
Ny volana Oktobra 2022 no teraka ny tarika « M’iray Kalo » Ivondronan’ireo tanora miandahy miambavy miisa manodidina ny dimy ambiny folo, mankafy sy atosiky ny fitiavana hanome aina indray sy hamelona ireo hira teatraly tranainy, azo antsoina ihany koa hoe : « Kalon’ny Fahiny ».
Mizaka fahoriana sy tsy rariny ireo olona nipetraka tamin’ny toerana hisian’ny fanamboarana lalana izay voalaza fa tetikasan’ny Filohan’ny Repoblika
Mameno ny vaovao an- gazety sy haino aman-jery fa noravàna ny trano fonenana sy saha fambolen’ny mponina marobe, tokatrano aman-jatony, any amin’ny faritra Atsinanana sy Analanjirofo nandritry ny volana Oktobra 2024 satria hamboarina hono ny làlana ka hampiharina ny lalàna momba ny fanesorana ny fizakà-manana noho ny tombotsoan’ny besinimaro (expropriation pour cause d’utilité publique)…
KANDIDA ROVA ANDRIANJAKA : Vonona hitondra fampandrosoana ho an’Itaosy
« Itaosy mandroso, milamina, madio ary tsara tantana ». Io no teny filamatra sy laharam-pahamehana ho an’i Rova Andrianjaka, tanora vao erotrerony, kandidà natolotry ny Antoko Tiako i Madagasikara miaraka amin’ny vovonana Firaisankina, ao Atsimondrano. Mitondra ny laharana voalohany, ao amin’ny biletà tokana, ho fidiana ben’ny tanàna sy mpanolontsaina, hotanterahana ny 11 desambra ho avy izao ny tovolahy…
« NDAO… ! » : Seho hanana endrika « Tantaram-pitiavana an-kira »
Tovo J’hay sy Nate Tex, mpanakanto mirahalahy samy tompony fa tsy mpindrana amin’ny famoronana hira manambara fitiavana amin’ny endriny marolafy. Sambany no hampiaram-peo izy ireo ao anatin’ilay seho « Ndao… ! » hotanterahana, etsy amin’ny CCESCA Antanimena, ny tolakandron’ny Sabotsy 16 novambra ho avy izao.
KAOMININA BETSINJAKA TOLIARY : Azo atao ny mampandroso azy saingy…
Fito kilaometatra eo ho eo tsy hidirana an’i Toliary no misy ny kaominin’ny Betsinjaka. Akaikin’ny seranampiaramanidin’i Toliary i Betsinjaka. Azo ambara ho vavahady fidirana an’i Toliary izy, araka izany, ary Ambohipihaonan’ireo Olombelona maro avy amin’ny lafivalon’i Madagasikara sy ireo avy Dilambato ihany koa…
FIANGONANA « HEBREO NOTSRYM » : Nankalaza ny « Rhag soukot »
Ny Alahady 13 Oktobra dila teo, tao Ankasina, Antananarivo no nanombohan’ny Fiangonana Hebreo notsrym eto Madagasikara, nanamarika sy nankalaza ny « rhag soukot » Adika tsotra amin’ny fiteny malagasy hoe : « Fetin’ny trano rantsan-kazo » izay nitohy, tany Antsirabe, ny Sabotsy 19 ary nofaranana ny Alahady 20 oktobra lasa teo tany an-toerana. Ny Soukah, midika ho « trano tomboka » na trano rantsan-kazo » ary ny Rhag « fety ara-panahy »…
TRANGA FARANY SY FITAKIANA NY ZON’NY MPONINA ao NOSY MITSIO manoloana ny TETIKASA HOTELY kintana 5
Nosy Mitsio dia anisan’ny vondronosy ao avaratra andrefan’i Madagasikara ao anelanelan’i Nosy Be sy Antsiranana. Mirefy 2.000 hekitara eo ny velarantaniny. Tsy be mpahalala ity nosy ity fa ny vahiny mpizaha tany no maro mahafantatra azy. Misy mponina Antakarana mipetraka efa hatramin’ny taonjato faha-19 ao, manana ny maha-izy azy ny kolontsainy ary toy ny ankamaroan’ny Malagasy dia ny jono sy fambolena ary fiompiana no antom-pivelomany…
