Ny Printsy Andry Rodrigue no niezaka nikaroka sy namoha indray ny teknolojia tranainy entina nitrandraka ny sehatry ny fifandraisana sy ny fahazoam-baovao amin’ny alalan’ny fampiasana ny tara masoandro. Efa mandia ny faha dimy taona nandalinana ny tontolon’ny « Heliosera » ny Printsy Andry Rodrigue ankehitriny. Raha hazavaina tsotra teknolojia mampiasa ny herin’ny masoandro « Helios » ho amin’ny fanangonam-baovao sy ny fifandraisana ny « Heliosera »…
Catégorie : Samihafa
KAOMININA ANDRANONAHOATRA : Vonona hanohy ireo ezaka efa vita
Ny tontolon’ny fanabeazana, fahasalamana, fitaterana, fandriampahalemana, sns… Samy efa nanaovan’ny avy eo anivon’ny fiadidiana ny Kaominina Andranonahoatra, izy tarihan’ny ben’ny tanàna Rasamison Hajanirina sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky ezaka manokana avokoa ireo ho fanampiana ireo mponina eny an-toerana…
RAMASY : Olon’ny Fanatanjahatena sy ny Politika
Randrianirina Jean Ignace, fantatra eo amin’ny sehatra fanaovana politika sy ny taranjam-panatanjahatena baolina kitra amin’ilay solonaranara hoe : Ramasy. Anisan’ireo efa nitondra avo ny fanevan’i Madagasikara teo amin’ny baolina kitra tamin’ny taona 80-90. Efa anisan’ny ekipam-pirenena niatrika ny lalao antsasa-dalana tamin’ny fiadiana ny amboaran’ny Afrika isika tamin’ny androny. Ramasy ihany koa no filohan’ny K2HB « Komity Hamerina ny Hasin’ny Baolina kitra ».
NOSY SAKATIA : Atsaharo ny fanitsakitsahana ny lalàna sy ny kolikoly ary ny fangoronan-tany ataon’ny orinasa Green Mada Land
Tamin’ny 12 Jolay 2023 dia nandefa taratasy misotraka tamin’ny Filoham-pirenena ny fikambanana manao sonia ity fanambarana ity, manoloana ny zava-misy manodidina ny fampanofana tany mandritry ny 99 taona tsy ara-dalàna nifanarahan’ny mpampiasa vola lehibe fanta-daza ao amin’ny orinasa GREEN MADA LAND sy ny manam-pahefana Malagasy, mikasika ny Nosy Sakatia ao amin’ny faritra Diana any avaratra-andrefan’i Madagasikara.
TARIKA « GASY MI… » : Manandratra ny Mozika sy ny Soatoavina malagasy
Tano ny Anao fa ny an’ny hafa tsy omeny ary tsarovy fa Malagasy anie Ianao ! Ireo andalam-pehezanteny maromaro ireo no mahafehy ny antom-pisian’ny tarika « Gasy mi »…
ANTOKO TIAKO I MADAGASIKARA AMBOHIMANGAKELY : Vonona hitondra fampandrosoana
Tsy ankadositra intsony ity ! Raikitra ny ady hatrehana hiaraha-manana ho amin’ny fampandrosoana ho an’ny Antoko Tiako i Madagasikara, ao amin’ny Kaominina Ambohimangakely…
FIANGONANA « HEBREO NOTSRYM » : Nankalaza ny « Yom terouah »
Ny Alahady 29 septambra lasa teo, tetsy Ankasina, toerana misy ny bet kneset « Trano fivavahana » misy ireo mpino manaraka ny finoana Hebreo notsrym, tarihan’ny Shalar Rija Andriamady, no nankalaza ny « Yom terouah » na ny fetin’ny trompetra. Yom, midika ho andro ary ny terouah mitovy hevitra amin’ny hoe : hikam-pifaliana izy ireo.
LOLITA RASOARIMANANA : Misehatra amin’ny asa soa ho fampandrosoana
Lolita Rasoarimanana, anarana sy endrika tsy zoviana loatra intsony eo amin’ny sehatry ny fanaovana asa soa ho fanampiana ireo mpiara-belona mba hahafahan’izy ireo mihoitra ho amin’ny fiainana tsaratsara kokoa hatrany. Monina eny Ambohikely, Ambavahaditokana i Lolita…
MPANORATRA AINA NIRINA : 40 Taona nanoratana, saropiaro amin’ny teny malagasy
Andrianarivelo Rahajanirina Hery. Mitondra ny solon’anarana hoe : « Aina Nirina, amin’ny maha mpanoratra ny lehilahy. Nandalina ny tontolon’ny fanorenan-trano sy ireo fotodrafitrasa goavana tahaka ny tatezana i Aina Nirina. Nirona tamin’ny taranja siantifika, araka izany, izy saingy mahavariana fa miondana ary azo ambara fa mankafy sy tia mikirakira ny habaky ny zavakanto vita amin’ny teny sy ny soratra « Literatiora » i Andrianarivelo Rahajanirina Hery noho ny fitiavany ny teny malagasy. Ankoatra izay, tia mozika ny lehilahy.
FAHANTRANA LALINA : Tsy vahaolana ny fitiavan-tena, mila mandray andraikitra ny « Mpitondra »
Mivaralila tanteraka ary mila tsy ho tazana intsony mihitsy ankehitriny ilay rindram-piaraha-monina nifaka tamin’ny fandalana ny fifanajana, ny fifanampiana nanome hasina ny aina sy nametraka ho ambony hatrany ny maha olona dia ilay « fanahy » izany. Ireo rehetra ireo, azo ambara tsy ampisalasalana fa nananan’ireo Razamben’ny malagasy ka nampilamina ny fiarahamonina fahagola.
