Maro ireo faritra may eto Madagasikara noho ny doro ala sy ny doro tanety amin’izao fotoana izao. Manoloana izany indrindra dia samy mandray andraikitra amin’ny fiaraha-mientana entina handresena ny afo ny mpisehatra rehetra. Miainga amin’ny fitondram-panjakana sy ireo sehatra tsy miankiana izany ka hatrany amin’ny Vondron’olona ifotony. Manaporofo izany fiaraha-misalahy izany ny fahitana fa mbola ao anatin’ny tolona famonoana afo amin’ireo faritra mirehitra ny mponina sy ny tompon’andraikitra eny ifotony. Anisan’izany ny amin’ny valan-javaboahary any Ranomafana. Tamin’ireo tebok’afo miisa 26 izay nisy dia tebok’afo roa lehibe no nezahin’izy ireo nofehezina. Manao ny ezaka hamonoana ny afo araka izany ireo tompon’andraikitra. Manano-sarotra tokoa ny fifehezana ireo tebok’afo satria dian-tongotra no ahafahana mihazo ny toerana. Ireo mpitandro filaminana sy ireo “quartier mobile” araka izany no miatrika izany any an-toerana. Tanjona ny tsy maintsy handresenaa ny afo sy ireo manao fanahy iniana mamotika ny ala mitahiry ny harena voajanahary eto amintsika. Antony fifanoloran-tanana, araka ny fanazavana voaray.



