Mba hanatsarana ny kalitaon’ny rivotra sy hampihenana ny entona mandoto mifandray amin’ny fandoroana hazo dia nanodina ny fako ho lasa angovo ireo mpiantsehatra amin’izany. Izy ireo izay nahitana ny avy amin’ny minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovain-jafy, ny minisiteran’ny Angovo sy ny Akoranafo, ny solontenan’ny fiarahamonim-pirenena sy ny manam-pahaizana ary ny mpamokatra.
Nisy araka izany ny fampiroboroboana ny fanodinana ny fako ho angovo. Nohamarinina voalohany araka izany ny fenitra malagasy momba izany ‘briquettes’ tsy misy karbonina izany raha ho antsika eto Madagasikara, ny farany herinandro lasa teo, teny Andrainarivo. Nodinihan’ireo mpandray anjara, tamin’io fotoana io, ny fepetra ara-teknika miaraka amin’ny fepetra fototra ilaina amin’izany famokarana izany. Izy io izay hihatra tsy ho ela eto amintsika mba hahafahan’ i Madagasikara, mitondra ny anjara birikiny amin’ny ho avin’ny angovo madio sy maharitra kokoa. Ireo mpiantsehatra mpandraharaha amin’izany izay efa mihamaro no mampiasa vola amin’ ny fanodinana ireo akora azo ahodina ka hasolo ny arina fandrehitra eto Madagasikara. Tanjona ny hampihenana ny fandripahana ala noho ny fampiasana arina fandrehitra sy kitay izay fampiasan’ny tokantrano Malagasy. Eo ihany koa ny fiarovana ny ala mba tsy ho simba ka hanohanana ny fampandrosoana ara-toekarena eto amintsika, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra ao amin’ny ‘AIDES Developpement-Projet TWENex (Transformation du secteur des déchets en une filière déchets-énergie dans la région Sud-Ouest de l’Océan Indien)’, Rakotoarivony Sitraka Hariniaina.


