Ny sabotsy 15 febroary 2025 no nanatontosa ny taom-pikatrohana politika taona 2025, teny amin’ny foiben-toerany eny Andraharo, ny antoko HVM. Nivoitra tamin’io fotoana io fa Antoko velona ny HVM izay mijoro ka mijanona ao anatin’ny fanoherana. Manohitra ihany koa ny fomba fitantanana tsy mety eto amin’ny firenena. Fomba fitantanan’ny mpitondra fanjakana amin’izao fotoana izao izay mankany amin’ny tsy fahombiazana. Tsy fahombiazan’ny mpitondra fanjakana izay iaraha-mahita.
Ny HVM izay manana olom-boafidy na amin’ny anarany manokana na eo amin’ny Vovonana Firaisankina ka tsy afaka hijery fotsiny ny zava-misy iainana eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao. Ny Antoko HVM ihanykoa dia manana tanjona napetraka ka miezaka manatratra izany hatrany. Manao antso avo amin’ny Malagasy rehetra ny Antoko HVM mba hanohitra ireo tsy mety eto amin’ny firenena. Na ny ara-politika na ny ara-toekarena na ny ara-tsosialy dia samy marary avokoa, araka ny fanazavan’ny Filoha nasionalin’ ny Antoko HVM, Rakotovao Rivo. Tao anatin’ity taom-pikatrohana politika taona 2025 ity ihany koa dia nisy ny kabarin’ny filoha teo aloha Rajaonarimampianina Hery. Nasongadiny tamin’izany fa mihemotra tanteraka ny demokrasia eto Madagasikara. Isika anefa mila fampandrosoana mba hahatonga ny firenena ho tsara fototra ka hanana toekarena matanjaka sy rafi-pampandrosoana maharitra.
Laharam-pahamehana ihany koa ny fanajana lalàna ka ny mpitondra fanjakana no tokony ho modely voalohany amin’izany. Tanjona ny hametrahana fijery lavitra ka miantso ireo mpikambana HVM rehetra mba hanadihady, hoy hatrany ny filoha teo aloha, Rajaonarimampianina Hery.


