Miaina anaty fahantrana tanteraka ny Malagasy. Maro ny Antony miteraka izany fa ny anisany goavana amin’izany ny toe-tsain’ny fitiavan-tena diso tafahoatra eo amin’ny isam-batan’olona. Tsy ny Vahoaka ihany no tratry ny viriosin’ny fitiavan-tena fa voa ihany koa ireo “Mpitondra”. Ny azy ireo aza, hoy, ny be vazivazy izay dia “forme grave” mihitsy ny fisehony. Tsy mahagaga raha sempotry Rafahantrana tanteraka Ramalagasy izay marihana fa miaina ambony harena. Tsy ny fitiavan-tena ihany anefa no rangory fototry ny akon’ny fahantrana fa teraka ho azy vokatr’izany ihany koa ilay ” Zarazarao hanjakana” Polifika maloton’ireo Mpanjanaka namotehana sy mbola hamotehana an’i Madagasikara. Mila mifoha malaky anatin’izao fahantrana lalina tsy miendrika azy izao isika Malagasy. Ndao haverina iainana indray ilay Soatoavina Malagasy dia ny hasin’ny fihavanana miteraka firaisankina ho amin’ny fikatsahana ny tombontsoa iombonana. Raha tanteraka izany handositra lavitra antsika Rafahantrana. Alao hery e !

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

