BASKETBALL SMATCHIN BE CONNECT 2025 : Mpanohana ofisialy ny zava-pisotro XXL

Mpanohana ofisialy ny fifaninanan’ny lalao ara-panatanjahantena “Basketball Smatchin Be Connect 2025”, ny zava-pisotro XXL. Ity andiany faha-11 ity izay hotanterahana ny 8 ka hatramin’ny 16 marsta ho avy izao.

Toerana miisa telo eto amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra no handraisan’ireo Oniversite Malagasy miisa 50 anjara. Eo aloha ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina sy ny kianja Mitafo Mahamasina ary ireo toeram-pilalaovana eo amin’ny kianja Barea Mahamasina, mandritry ny lalao fifanintsananana isam-bondrona. Miisa 48 ireo sokajy handray anjara ho an’ny lehilahy raha miisa 17 izany ho an’ny sokajy vehivavy. Ny 8 ka hatramin’ny 13 martsa 2025 ireo lalao isam-bondrona. Ny 14 martsa 2025 ny lalao ampahefa-dalana. Ny 15 martsa 2025 ny lalao antsasa-dalana raha ny 16 martsa ny lalao famaranana. Hiara-dalana amin’ity fifaninanan’ny lalao ara-panatanjahantena “Basketball Smatchin Be Connect 2025” ity, ny fifaninanana “Miss et Mister Smatchin”, ny “Smatchin Dance Contest” sy ny “DJ Smatchin Contest” ary ny “E-sport Orange X Smatchin 2K 25”.

Ny “Slam Contest” no hetsika vaovaon’ny “Basketball Smatchin Be Connect 2025” ho an’ity taona ity. Mpiara-miasa amin’izao fifaninanan’ny lalao ara-panatanjahantena izao ny “Orange Madagascar”, ny “Moozik”, ny “Ivenco” sy ny “Canal plus” ary ny “Davalt Records”, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny zava-pisotro marika XXL, Rakotobe Michael.

Vous aimerez aussi