SEKOLY AMBONY E.S.D.E.S : Mijoro ny fikambanan’ny mpianatra A.E

Nampahafantarin’ny Sekoly Ambony E.S.D.E.S izay manana ny foiben-toerany eny Ankadivato, tamin’ny fomba ofisialy, ny fijoroan’ny fikambanan’ny mpianatra A.E na ny “Association des Etudiants de l’E.S.D.E.S” ao amin’izy ireo, manomboka izao, raha efa iray volana izay no niorenan’izany. Ny alakamisy 27 febroary 2025, teny Fiadanana, no nanatontosan’ity Sekoly Ambony ity, izany fampahafantarana izany, izay natrehan’ny Filoha Tale Jeneralin’ny Sekoly Ambony E.S.D.ES, Chilo.

Antony nananganan’ny Sekoly ny A.E, ny hanomezan-danja ny fifanohanan’ireo samy tanora mpianatra izay manaraka fiofanana ao anivon’ny E.S.D.E.S. Eo ihany koa ny mba hifandraisan’ireo samy mpianatra eo amin’ny fifampizarana traikefa amin’ny fianarana sy ireo sehatra maro samihafa. Zava-dehibe araka izany ny fijoroan’ity fikambanana izay finiavana teo amin’ny samy mpianatra ity. Ankoatran’ny fampahafantaran’ny Sekoly Ambony tamin’ny fomba ofisialy ny fikambanana dia nanatontosa lanonana fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao 2025 ihany koa ny E.S.D.E.S Ankadivato, tamin’io fotoana io, araka ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanan’ny mpianatra A.E, Nantenaina.

Ny Sekoly Ambony E.S.D.E.S izay mbola mandray mpianatra hatrany amin’izao fotoana izao satria misy karazana fidirana maro ao amin’izy ireo. Ny andiany faharoa amin’ny “Formation Presentielle” izao no horaisin’izy ireo amin’ity herinandro ity sy amin’ny herinandro ambony ho avy io. Ireo te hanaraka ny “Formation à distance” izay tsy afaka mianatra isan’andro dia miatrika ny fampivondronana isam-bolana izay misy sokajy miisa roa ny amin’izany, araka ny fanazavan’ny Tale Jeneralin’ny Sekoly Ambony E.S.D.E.S, Chilo.

Vous aimerez aussi