Tsy mankasitraka ny mety hiverenan’ny tetikasa fitrandrahana “terres rares” kasain’ny orinasa “Harena Resources” atao any amin’ny tangoronosy Ampasindava any amin’ny distrikan’Ambanja, faritra DIANA, ny Vondron’olona any Ifotony sy ny firaisa-monim-pirenena “OSCIE”…
Catégorie : Samihafa
FAHASALAMANA SY ZO ARA-PANANAHANA : Nampiofanin’ny « ECPAT France Madagascar » ireo mpampianatry ny Lisea
Mba ho fampitomboana hatrany ny fahalalana eo amin’ireo mpampianatra eny amin’ny Liseam-panjakana dia nampiofana azy ireo teny amin’ny « Lycée Nanisana » ny avy eo anivon’ny « ECPAT France Madagascar », ny alarobia 5 sy ny alakamisy 6 martsa 2025. Anjaran’ireo mpampianatra tao amin’ity « Lyce Nanisana » ity araka izany no nandray ny fampiofanana tamin’ireo roa andro ireo raha efa nahazo ny anjarany tamin’izany ireo mpampianatra amin’ny Liseam-panjakana hafa…
“MADAGASCAR FILM FESTIVAL – ISSM AWARDS 2024” : Miisa 75 ireo amboara ho atolotra
Ny andiany voalohany amin’ny fihaonana momba ny horonan-tsary na ny “Madagascar Film Festival – ISSM Awards 2024” no hotanterahana, eny amin’ny Havoria Anosy, ny 26 ka hatramin’ny 30 martsa 2025. Hetsika izay karakarain’ny Ivon-toeran’ny Sarimihetsika sy Sarimiaina Malagasy na ny (ISSM) izay eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina…
« GROUPE JCR » ANTSAKAVIRO : Mitondra anjara biriky amin’ireo Malagasy mpanao fanatanjahan-tena
Anisan’ireo orinasa manohana ny tena mpanao fanatanjahan-tena eto Madagasikara ny « Groupe JCR » izay manana ny foiben-toerany eny Antsakaviro. Ny filoha tale jeneralin’ity orinasa ity izay mpanao fanatanjahan-tena ihany koa fahiny. Izy izay nilalao baolina kitra sy haiady tamin’ny androm-pahatanorany, araka ny fanazavan’ny filoha tale jeneralin’ny orinasa “Groupe JCR”, Dr Ratsimivony Jean Claude…
FANDRAKOFANA ALA INDRAY AN’I MADAGASIKARA : Nitondra ny anjara birikiny ny orinasa Star
Tsy diso anjara amin’ny fandrakofana ala indray an’i Madagasikara ny orinasa Star. Manaporofo izany ny fitondran’izy ireo anjara biriky tamin’ny alalan’ny fambolen-kazo. Na ireo mpiasan’ny orinasa na ireo Vondron’olona eny ifotony na ireo mpamboly na ireo sekoly manodidina ny toeram-piasan’ny Star izay mpiara-miombon’antoka amin’ny orinasa Star na ihany koa ireo mpamboly mpiara-miasa aminy dia samy notoloran’ity orinasa ity tanana avokoa tamin’izany fambolen-kazo izany.
MPITONDRA FANJAKANA : Mody marenina sa minia mikipy manoloana ny fahantram-bahoaka ?
Fitandroana ny fandriampahalemana, famoronana asa, fampianarana sy fiahiana ny lafiny sosialin’ny Mponina toy ny fampianarana sy ny fahasalamam-bahoaka, fametrahana paikady ho fampiroboroboana ny seham-pamokarana sy fiarovana ireo teratany misehatra amin’izany, sns…
LOLA – 25 TAONA NIHIRANA : Hanolotra ny « Seho tena matihanina »
Raikitra io e ! tena raikitra tokoa fa ny tolakandron’ny Alahady 30 martsa ho avy izao, hanomboka amin’ny roa sy sasany tolakandro, etsy, Antsahamanitra, no hiaka-tsehatra anatin’ilay seho nampisalorana ny anarana hoe « Seho tena matihanina » ny tarika Lôla, amin’ny endriny feno…
« J.N.A MADA 2 » : Any Morondava ny 28 – 31 aogositra 2025
Ny andiany faharoa amin’ny « Andro Nasionalin’ny Olon-dehibe eto Madagasikara » na ny « J.N.A MADA 2 » no hotanterahina any Morondava ny 28 ka hatramin’ny 31 aogositra 2025. « Olon-dehibe mijoro amin’ny finoana sy fanantenana Kristianina, hampanjaka ny fahamarinana sy ny fitiavana eo amin’ny fiarahamonina sy ny tontolo iainana » no lohahevitra hifanentanana mandritra ny efatra andro amin’ity « J.N.A MADA 2 » ity…
FIANGONANA VAVAKA FANAFAHANA ENY BEHORIRIKA : “Vehivavy mitondra Fitahiana” no fotoam-bavakin’ny Andron’ny vehivavy
“Vehivavy mitondra Fitahiana”, io no lohahevitry ny fotoam-bavaka lehibe entin’ny Fiangonana Vavaka Fanafahana izay manana ny foiben-toerany eny Behoririka, hankalazana ny Andron’ny vehivavy, ny Sabotsy 8 martsa 2025, eny amin’ny CC ESCA Antanimena…
VOLANA MASINA RAMADANY : Efa ao anatiny tanteraka amin’izao fotoana izao ireo mpino Silamo
Vavaka manokana izay fibebahana amin’Andriamanitra, fifamelana sy fanasoavana ary fanaovana asa soa, fifadian-kanina sy fifehezana ary ny tsy firaisana ara-nofo no hanokanan’ny mpino Silamo maneran-tany, ny fotoanan’ny volana Masina Ramadany, mandritry ny 29 na 30 andro. Izy io izay tanterahan’izy ireo vao mangiran-dratsy ka hatramin’ny filentehan’ny masoandro…
