Anisan’ireo orinasa manohana ny tena mpanao fanatanjahan-tena eto Madagasikara ny « Groupe JCR » izay manana ny foiben-toerany eny Antsakaviro. Ny filoha tale jeneralin’ity orinasa ity izay mpanao fanatanjahan-tena ihany koa fahiny. Izy izay nilalao baolina kitra sy haiady tamin’ny androm-pahatanorany, araka ny fanazavan’ny filoha tale jeneralin’ny orinasa “Groupe JCR”, Dr Ratsimivony Jean Claude.
Ny lehibe indrindra amin’ny fanatanjahan-tena, hoy izy, dia ny fanoroana hevitra ara-tsaina sy ara-batana. Ilàna fanarahana torohevitra tsara anefa na izany aza ny eo amin’ny lafiny ara-batana. Na ny eo amin’ny fihinanana sakafo mitondra otrikaina izany na eo amin’ny fisotroana rano indrindra fa ny eo amin’ny fihinanana fanampin-tsakafo dia ilaina fanarahana antsakany sy andavany. Ankoatra ireo rehetra ireo dia ny rivotra iainana mahavelona no tokony hofahana mba hifandrindra tsara amin’ny habe sy lanjan’ny vatana. Ny mpanao fanatanjahan-tena araka izany dia tsy mitovy amin’ny olon-tsotra izay mila ireo ilain’ny vatan’olombelona ireo fotsiny ihany fa mila manatombo ny fatran’ ireo sakafo sy rano ary fanampin-tsakafo hohanin’izy ireo noho izy ireo manao ezaka ara-tsaina sy ara-batana satria manao fanazaran-tena sy miatrika fifaninanana. Mandany hery betsaka ny mpanao fanatanjahan-tena raha oharina amin’ny olon-tsotra tsy miatrika fanazaran-tena sy fifaninanana. Noho izany indrindra dia mila fenoin’ireo mpanao fanatanjahan-tena ireo ny very ao aminy mba hahafahany mampiasa tsara ny vatany sy ny nofony. Ny fanaraha-maso ny sakafo sy ny rano ary ny fanampin-tsakafon’ny mpanao fanatanjahan-tena izay tena ilaina tokoa eo amin’izy ireo mba tsy ho sakana ho azy ireo izany. Izy io izay tsy ampy eo amin’ny Malagasy hany ka tsy mahazo izay tadiavina na tsy mahatratra izay tanjony ny mpanao fanatanjahan-tena. Ny tsy fahampiana sakafo sy rano ary fanampin-tsakafo mantsy dia anisany mahatonga faharesena. Antony mahatonga ny “Groupe JCR Vaniala” hanolo-tanana ireo tena mpanao fanatanajahatena izay tena vonona eo amin’izany fanatanjahan-tena izany.
Mampiakatra avo ny toeran’i Madagsikara rahateo izay mpanao fanatanjahan-tena Ambasadaoro. Ny mpanao fanatanjahan-tena izay maharesy rahateo dia anisany hanehoan’ny firenena iray ny tanjany. Hahatarafana ny tanjaky ny firenena iray ny herim-batana sy ny herin-tsaina ary ny fahasalaman’ny mponina ao aminy ankoatra ireo fitaovam-piadiana ananany, araka ny fanazavan’ny filoha tale jeneralin’ny orinasa “Groupe JCR”, Dr Ratsimivony Jean Claude.


