FIKAMBANANA “NY AMPINGA KABARY” : Mpikabary miisa 400 mianadahy no nasandrany teny Analamahitsy

Ny Ampinga Kabary

Tanjon’ny fikambanana “Ny Ampinga Kabary” ny hanabe sy hanandratra ny soatoavina mahamalagasy. Anton’ilay teny filamatry ny fikambanana manao hoe: “Hampandroso hatrany ifotony ny Teny sy ny Soatoavina Malagasy”. Ny fikambanana “Ny Ampinga Kabary” araka izany dia misehatra manokana eo amin’ny fanomezan-danja ny kabary sy ny teny Malagasy.

SANGANASAN’I NELSON RASAMIMANANA : Ho velomin’ny Tarika “Kanto ny gasy” sy i Rinah

Nelson Rasamimanana

Ny tolakandron’ny Alahady 29 Jona ho avy izao, hanomboka amin’ny roa ora sy sasany, etsy amin’ny trano fanaovam-petin’ny Sekoly Sainte famille Mahamasina (Amphithéâtre), no hamelona indray ireo sanganasan’i Nelson Rasamimanana, ilay andrarezin’ny kanto an-kira sy mozika teo amin’ny lafiny famoronana sy fitendrena ny piano, ny Tarika Kanto ny gasy sy i Rinah. Ity farany izay Zanak’i Nelson Rasamimanana…

Loza mitatao ho an’ny Fahaleovantena ara-tsakafo ny fifanarahana nosoniavina niaraka tamin’ny orinasa israelianina LR Group Ltd

Tamin’ny 25 May 2025, ny Sekreteram-panjakana eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika misahana ny Fahaleovantena ara-tsakafo dia nanao sonia tao Tel-Aviv fifanarahana [memorandum d’entente (MoU)] tamin’ny vondrona israelianina LR Group momba ny hametrahana ivontoeram-pambolena (Agropole) 10.000 hekitara ho an’ny fambolena vary sy katsaka ary soja.

“ZAMAHASAKY” : Fifaninanana nasionaly adisisika ho an’ny tanora

Zamahasaky

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy, ny alatsinainy 16 jona 2025, teny amin’ny QG Tanora Ankorondrano, ny fifaninanana nasionaly adisisika ho an’ny tanora antsoina hoe: “ZaMahasaky”. Ity fifaninanana ity izay manome feo ny tanora malagasy mba hahafahany maneho mivantana ny heviny sy ny ahiahiny ary ny vinany momba an’i Madagasikara mahakasika ny mpanapa-kevitra, ny amin’ny fampiroboroboana ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena sy ara-politika…