Ny andiany fahavalo tamin’ny “Festisova” izay nokarakarain’ny fikambanana Tambohobe sy ny fikambanana “FIRST” no notontosaina, teny Andraisoro, ny sabotsy lasa teo. Ity andiany ity izay niavaka tamin’ireo andiany fito teo aloha noho izy nivelatra kokoa tamin’ity taona ity. Nosokafana tamin’ny hira ara-pilazatsara ny fotoana. Narahana diabe niainga teny amin’ny lalana Bibilava Ambolokandriana izany avy eo ary nofaranana teny amin’ny fokontany Andraisoro izay nanatontosana ny hetsika “Festisova”.
Teo ihany koa anefa ny fifaninana dihy sy ny famoronana maro samihafa ary ireo mpamelona tantara an’onjam’peo izay niaka-tsehatra. Ny “Festisova” andiany fahavalo dia nampitondraina ny lohahevitra manao hoe: “ady amin’ny zava-mahadomelina sy ny ady amin’ny herisetra”. Io lohahevitra io araka izany no nitsarana ny tononkiran’ireo mpiantsehatra isanisany. Notsaraina tamin’izany ihany koa ny mahafampitam-baovao ny vakisova eny anivon’ny fiarahamonina indrindra fa ny mahafampitan-kafatra azy. Ankoatra ireo dia nojerena tamin’ireo mpisova ihany koa ny gadona sy ny fisehatra ary ny fitafy sy ny pitsopitsony momba ireo.
Nomena sehatra tamin’ny andiany “Festisova” tamin’ity taona ity ireo tanora mpivoy ny vakisova. Izy ireo izay zanak’ireo mpisova teo aloha ihany fa mamelo-maso ny vakisovan’ny ankehitriny. Hany ka na nanasongadina ny fivoaran’ny “Festisova” aza izy ireo dia notanana hatrany ny fototra ny mahasova ny sova. Mbola notohizan’ireo tarika maro taty aoriana ny mahazava-kanto miaina ny vakisova. Tonga nanotrona sy nanome voninahitra ary nanome tso-drano ireo tanora mpanao vakisova ireo ny zoky nitari-dalana ny sovan’Antananarivo. Taorian’ny fifaninanana dia nibata ny loka voalohany ny “Akon’ny Fanantenana” izay avy eny Tsiadana. Efa zaza mpandimby ireo zokibe nivoy ny vakisova izy ireo. Nitana ny laharana faharoa ny “Fitarikandro” avy eny Tsiadana ary laharana fahatelo ny Sovan’i Tanjombato, araka ny fanazavana voaray.


