“RANTY VOKATRA” ANDIANY FAHADIMY : Hotanterahana eny amin’ny kaomina ambanivohitra Mahitsy

Ranty Vokatra

Hotanterahan’ny Antenimieran’ ny Varotra sy ny Indostria Analamanga na ny “CCIA” eny amin’ny kaominina ambanivohitra Mahitsy, ny andiany fahadimy, amin’ilay hetsika ara-toekarena antsoina hoe: “Ranty vokatra”, amin’ity taona 2025 ity. Eny amin’ny kianja manara-penitra Mahitsy no hanasongadinana izany. Izy io izay hanomboka ny 20 ka hatramin’ny 21 jona 2025.

“STAR TOUR TANA 2025” : Mandritry ny telo andro ny fety

Star Tour Tanà 2025

Ny 20 ka hatramin’ny 22 jona 2025 no hanatanterahan’ny Star ny “Star Tour Tana 2025”, eny amin’ny “Coliséum” Antsonjombe, amin’ity taona ity. Manodidina ny 15.000 isa isan’andro ireo ankizy sy olon-dehibe heverin’ny mpikarakara fa hampisitrahana izany fety izany. Fotoana iray natokan’ny “Star Tour Tana” iarahana mikorana amin’ny fianakaviana ao anatin’ny fitiavana mizara sy fiarahana miala voly, ny “Star Tour Tana 2025”.

SEHATRY NY HARENA AN-KIBON’NY TANY : Mijoro hamondrona sy hitondra fampandrosoana ny “SEMPAHMAKRI”

Ambara ombieny ombieny fa ny fananana Harena an-kibon’ny tany dia anisan’ny antoka iray goavana ho amin’ny fisian’ny tena fampandrosoana ny Firenena iray. Tsy iadian-kevitra intsony ny fahamarinan’izany. Ho an’i Madagasikara manokana milanja telopolo taonina isan- taona ny volamena azo vokarinareo amin’ny toerana voafaritra manentana ny Nosy…

SOLOMBAVAMBAHOAKAN’NY VOLOMBOASARY SY NY FORONGONY : Ny ” fisolelafana” no lehibe indrindra ho azy ireo ?

Lapan'ny Tsimbazaza, tsy Lapan'ny "Demokrasia" intsony fa lasa toeram-pisolelafana mba hahazoana tombontsoa manokana.

Fisaorana sy fankasitrahana manokana tamin’ny endrika fisolelafana faratampony toy ny fanomezana “Bravo” ho an’ireo eo anivon’ny fahefana “Mpanatanteraka” (Praiminisitra sy ireo Mpikambana eo anivon’ny governermanta) sy ny Filoham-pirenena Andry Nirina Rajoelina. Ireo no heno niverimberina tetsy amin’ny Lapan’ny Tsimbazaza nandritra ny fifanatrehana teo amin’ireo Solombavambahoaka sy ireo Mpikambana eo anivon’ny Governermanta tarihan’ny Praiminisitra.

GROUPE SALVE : Manabe voho ny finoana Katolika amin’ny mozika

Ny ampahany amin’ireo mpikambana mandrafitra ny Groupe « Salve »

Ny Alahady 22 Oktobra taona 2017 no nitsiry tao an-tsain’ireo tanora maromaro nonina tao amin’ny faritra Masindahy Eli Malaza izay mandrafitra ny Paroasy Masindahy Piera Malaza Andoharanofotsy Renivohitry ny Distrika ny hanana tarika. Teraka teo ny Groupe Salve. « SALVE » voambolana latina adika tsotra amin’ny hoe : « Famonjena » Notsoahana avy amin’ilay fiteny hoe : « Salve Regina » na « Arahaba ry Mpanjaka vavy ».