SOLOMBAVAMBAHOAKAN’NY VOLOMBOASARY SY NY FORONGONY : Ny ” fisolelafana” no lehibe indrindra ho azy ireo ?

Fisaorana sy fankasitrahana manokana tamin’ny endrika fisolelafana faratampony toy ny fanomezana “Bravo” ho an’ireo eo anivon’ny fahefana “Mpanatanteraka” (Praiminisitra sy ireo Mpikambana eo anivon’ny governermanta) sy ny Filoham-pirenena Andry Nirina Rajoelina. Ireo no heno niverimberina tetsy amin’ny Lapan’ny Tsimbazaza nandritra ny fifanatrehana teo amin’ireo Solombavambahoaka sy ireo Mpikambana eo anivon’ny Governermanta tarihan’ny Praiminisitra.

Vokany, diso fanantenana tanteraka amin’ireo Solombavambahoaka maroanisa “nofidiany” ny Vahoaka Malagasy. Azo isaina amin’ny rantsan-tanana ireo Solombavambahoaka sahy nilaza tsy ampihambahambana fa tsy mahomby ity Governemanta tarihan’ny Praiminisitra Christian Ntsay ity . Mety amin’izy ireo no miala rehefa tsy nahavaha olana hatramin’izay fa efa miaina anatin’ny fahantrana manara-penitra ny Malagasy maro anisa.

Tsy ny fitondrana ireo filana fototry ny Vahoaka toy ny fanatsarana ny lafiny fahasalamana, fampianarana, fandriam-pahalemana, delestazy sy ny olan’ny rano  ary indrindra ny famoronan’asa, araka izany, no noventesin’ireo Solombavambahoaka niatrika ireo Mpikambana eo anivon’ny Governermanta  tetsy Tsimbazaza fa ny fisaorana ranolava sy fisolelafana ary fankasitrahana be fahatany ombana “toraka voninkazo” ireo “Mpanatanteraka efa hita fa tsy namokatra” tarihan’ny Praiminisitra sy ny Filoham-pirenena no niverimberina teny am-bavan’ireo Solombavambahoaka maro anisa misalotra ny loko vonimboasary.

Mazava, araka izany, fa kamboty tsy misy mpiahy ny Malagasy manoloana ireo fahasahiranana mitombo andro aman’alina iainan’izy ireo. Inona moa izany no azo antenaina amin’ireto Solombavambahoaka voalazz fa nofidian’ny Vahoaka maroanisa misalotra ny loko volomboasary ireto raha toa ka ny “Fisolelafana” ombana “Doka” hatrany no lehibe indrindra ho azy ireo fa tsy ny fikatsahana izay tombontsoa iombonana ho an’ireo Vahoaka nifidy azy ireo no imatesany ? Ny hiaro be fahatany sy handoka tsy misy fetra ny “Mpanatanteraka” (Minisitra sy ny Praiminisitra) hatramin’ny filoham-pirenena izay efa hita fa tsy ahitam-bokatra tsara ho an’ny Vahoaka nifidy azy tokoa angaha moa no asan’ny Solombavambahoaka fa tsy hanara-maso ny fomba fiasan’ny Gouvernementa sy hamolavola Lalana vaovao ?

Mila mahay mifidy sy manaraka akaiky ny fizotran’ny raharaham pirenena isika Malagasy fa raha tsy izany dia ireto Mpanao politika maty eritreritra efa zatra ny lalan-dririnina ireto hatrany no handrafitra sy hamaritra ny hoavin’i Madagasikara izay efa anaty hantsan’ny faharavana sy ny fahalovana tanteraka ankehitriny. Izao tokoa angaha ilay hoe : “Madagasikara tsy maintsy mandroso” Isika mianakavy anefa ity efa “mandrorona” amin’ny lafiny rehetra. Vokany, rendrika ilay Madagasikara izay lovasoa tokoa navelan’ireo Razambentsika.

Vous aimerez aussi