Miantso ny FFKM mba hifanome tanana amin’ny fiverenan’ny Malagasy amin’Andriamanitra. Manao antso avo amin’ny mpanao politika sy ny rehetra ihany koa mba samy handini-tena, Ratolojanahary Maharavo na i Doudou, manoloana ny toe-draharaham-pirenena misy amin’izao fotoana izao indrindra fa izao fahasahiranana iainan’ny tsirairay izao.
Tsy maintsy hisy hatrany ve ny ra mandriaka rehefa hanatanteraka fiovan-drafitra isika? Ireo tolona rehetra nisy hatramin’izay mantsy dia niafara hatrany tamin’izany ra mandriaka izany avokoa. Nitondra inona ho antsika anefa ny ra latsaka afa-tsy ny famoizan’ny Malagasy maro ny ainy indrindra fa nandritry ny tolona tamin’ny taona 1991-2002-2009. Ny vahoaka hatrany no natao sorona mba handrombahana fahefana.
Mbola toy izany ihany anefa ny fahantran’ny Malagasy na eo aza ilay fiteny mahazatra manao hoe: “Tsy maintsy misy ra latsaka vao tafita ny tolona”. Na efa samy nitady vahaolana avokoa aza ny mpanao politika na ny eo amin’ny Fitondram-panjakana izany na ny eo amin’ny mpanohitra dia mbola tsy nahitana vahaolana izany hatramin’izao. Mila mibebaka sy mihavana isika malagasy noho izany satria fanahy ratsy no mamatotra an’i Madagasikara, araka ny fanazavan’ny mpanao politika Ratolojanahary Maharavo na i Doudou.


