« Izahay mponina eto amin’ny 67Ha avaratra dia tsy manaiky ny fanorenana tsy ara-dalàna. Toerana tsy azo hanorenana araka ny « Préscription d’Urbanisme » lah 104 MAHTP-Ajanony ny fanoherana Didim-pitsarana lah faha-20 tamin’ny 09 aprily 2025 mampiato ny asa », ireo no sora-baventy amin’ny takela-damba miisa roa hita mivandravandra eny amin’ny 67 Ha avaratra ampitan’ny « FJKM Salema 67Ha », nanomboka ny alakamisy lasa teo.
Catégorie : Samihafa
FETIN’NY “EID AL ADHA” : Fotoana natokan’ ireo mpino silamo nanaovana ny sorona
Nankalazain’ireo mpino silamo maneran-tany, ny zoma 6 jona 2025, ny fetin’ny “Eid Al Adha”. Ny mpino silamo teto Madagasikara izay tsy diso anjara tamin’ny fankalazana izany. Roa volana sy folo andro taorian’ny fetin’ny “Ramadan” no ankalazan’ny mpino silamo ity fetin’ny sorona ity…
PETRA-BOLA AZON’NY FANJAKANA TAMIN’NY ORINASA STAR : Niakatra 35% tamin’ny taona 2024
Manamafy hatrany ny toerany amin’ny maha mpisehatra stratejika azy eo amin’ny toe-karena malagasy ny orinasa Star. Manaporofo izany ny fandraisan’ ny orinasa anjara mivantana amin’ny fampiroboroboana ny toe-karena anatiny. Ny Star no orinasa faharoa mandoa hetra be indrindra eto Madagasikara…
“AUMONERIE” FJKM ANALAMANGA : Razafindramanitra Nestor Mpitandrina no tale vaovao
Ny alakamisy 5 jona 2025 no notontosaina, teny amin’ny FJKM Salema Vaovao 67 Ha, ny fametrahana ny Tale vaovaon’ny “Aumonerie” FJKM eto amin’ny Fonjan’ny faritra Analamanga, Razafindramanitra Nestor Mpitandrina. Izy izay hanao laharam-pahamehana ny fijerena ny mahaolona an’ireo voafonja ireo amin’ny alalan’ny fampiofanana maro samihafa.
FANGATAHAM-PITAHIAN’IREO MPINO SILAMO : Notontosaina tamin’ny fanaovana sorona “Eid Al Adha”
Notontosaina, ny zoma 6 jona 2025, ny fetin’ny mpino Silamo “Eid Al Adha” na ny Fetin’ny fanaovana sorona. Fotoam-pivavahana lehibe teny amin’ireo toerana maromaro teto an-drenivohitra sy teny amin’ny Mosquée ary teny ankalamanjana no nanombohana izany ny maraina. Vita io fotoam-pivavahana lehibe io dia niroso tamin’ny fanatontosana ny sorona tamin’ny alalan’ireo biby ny mpino Silamo.
ANDRO MANERAN-TANIN’NY “CRM” : “Miahy ny maha olona” no teny faneva
Mpandray anjara mavitrika eo amin’ny fiahiana ny maha-olona eto amin’ny firenena, ny Vokovoko mena Malagasy na ny “Croix Rouge Malagasy-CRM”. Izy io araka izany no anisany fikambanana iray misehatra eo amin’ny lafiny fampandrosoana. Manaporofo izany ireo sehatra maro lafy izay ahitana ny Vokovoko mena Malagasy…
FOARA MOMBA NY KARAZAN-JAVAMANANAINA : Nanasongadinana indray ny natiora
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, teny amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny zoma 28 may 2025, ny Foara momba ny karazan-javamananaina. Hetsika izay natokana indrindra ho amin’ny andro maneran-tany ho an’ny karazan-javamananaina. Ny fitantanana maharitra sy ny hasarobidin’ny karazan-javamananaina izay navoitra tamin’ny fanomezan-danja ny natiora sy ireo soa azo avy aminy eo amin’ny fiainan’ny zanak’olombelona no nasongadina tamin’ity hetsika ity…
FENO 60 TAONA NY LALAM-PIOFANANA TOE-KARENA ENY ANKATSO : Fanavaozana fotodrafitrasa lehibe iray no tsangambato
Feno 60 taona katroka amin’ity taona ity ny nijoroan’ny Lalam-piofanana Toe-karena eny amin’ny Oniversiten’Ankatso-Antananarivo. Tsangambaton’izany fankalazana izany ny fanavaozana fotodrafitrasa lehibe iray ao amin’ity Lalam-piofanana ity izay heverina fa hahazaka olona miisa 150. Manodidina ny 100 tapitrisa ariary ny saran’ny asa fanavaozana. Antony ilan’ny komity mpikarakara ny fankalazana ny fiaraha-mientan’ny rehetra.
FANABEAZANA ARA-PANANAHANA FENO : Nampisitrahan’ny “IYAFP” izany ny tany atsimo
Mba hanatsarana ny fiainana andavanandro indrindra fa ny tontolon’ny ara-pananahan’ny ankizy sy ny vehivavy ary ny ray aman-dreny any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy dia nanatontosa tetikasa “pilote” tany amin’ity faritra ity, ny “ International Youth Alliance for Family Planning Madagascar” na ny “IYAFP Madagascar”. Tetikasa izay niompana tamin’ny fampahafantarana ny fanabeazana ara-pananahana feno ho an’ny tanora sy ho an’ny Ray aman-dreny na ny “Programme d’Education complète à la sexualité et au genre”…
VAHOAKA MALAGASY : Noverezin-jo tanteraka
Manan-jo haneho hevitra malalaka, hisitraka jiro sy rano, hitsabo tena raha tojo tsy fahasalamana, hianatra ireo Zaza Malagasy, handry fahalemana ny Ambanilanitra, hanana asa mahavelona sy sahaza azy ny isam-batan’olona,sns. Santionany ihany amin’ireo Zo fototra tsy maintsy ananan’ireo Vahoaka monina anatin’ny Firenena iray ireo. Moa ve misitraka feno na ny’ny ampahany amin’ireo ny Malagasy ?
