Bénédicte, renim-pîanakaviana, manokana ny androm-piainany manontolo ho fanampiana ireo Mpiara-belona aminy tojo olana amin’ny endriny marolafy eo amin’ny fiainana. « Ny fananako ilay tsindrimandry miseho amin’ny endrika nofy no ahafahako mamaha ireo olana mety ho tojo ny Olombelona » hoy i Bénédicte.
Catégorie : Samihafa
“TANA DESIGN WEEK” ANDIANY FAHATELO : “Le Génie des plantes” no lohahevitra
Hifantoka kokoa amin’ny fampifandraisana an’i Madagasikara amin’izao tontolo izao ny andiany fahatelo amin’ilay hetsika ara-java-kanto “Tana Design Week”. Eo ihany koa anefa ny fampihaonana ny Malagasy mba hirehareha amin’ny vokatra avy eto an-toerana. Manana harena ara-kolontsaina sy ara-teknika isan-karazany mantsy isika Malagasy…
TANTARA ARA-TOEKARENAN’I MADAGASIKARA : Feno 1.300 taona
Hotanterahana ny 3 sy ny 4 jona 2025, eny amin’ny “Cité des cultures” Antaninarenina, ny famelaberan-kevitra arahana adihevitra mahakasika ilay fampirantiana ny tantara ara-toekarenan’i Madagasikara izay feno 1.300 taona. Famelabelaran- kevitra izay hitondran’ ireo mpandraharaha, mpampianatra mpikaroka, mpahay toekarena sy sosialy avy eto an- toerana sy avy any ivelany, ny fomba fijeriny.
FIARAHAMONIM-PIRENENA : Mitaky ny mangarahara momba ireo nosy kely any avaratr’i Madagasikara
Manan-danja sady ilaina ny fizaràna amin’ny vahoaka eran-tany ny zava-misy manodidina ireo nosy kely ao avaratr’i Madagasikara. Ny ao Nosy Sakatia moa izao dia LATABATRA BORIBORY (table ronde) eo amin’ny mponina sy ny mpahay lalàna samihafa hanampy azy amin’ny andaniny, ary ny orinasa Green Mada Land sy ny manam-pahefana mpanohana azy amin’ny ankilany, no dingana manaraka maika…
FIANGONANA « HEBREO NOTSRYM » : Velona sy miroborobo, nankalaza ny « Shavouot »
Vory lanona tetsy Ankasina, toerana misy ny « Beyt kneset » (Trano fivavahana), ireo mpino avy amin’ny lafivalon’ny Nosy, eo anivon’ny finoana « Hebreo notsrym », ny alahady 01 jona lasa teo, nankalaza ny « Shavouot » na ny fetin’ny Pentekosta…
ORINASA “LFL MADAGASCAR” : Namokatra ny akoho haingam-pitombo “KÔMBÔ”
Anisan’ireo nibahan-toerana tamin’ilay “Tsenabe Fivoarana” andiany faharoa izay notontosaina, teny Imerintsiatosika, tamin’ity herinandro ity, ny fampiofanana akohogasy nohatsaraina sy ny akoho haingam-pitombo “KÔMBÔ” izay niarahana tamin’ny orinasa “LFL Madagascar”. Ankoatra izay dia nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy, teny an-toerana, ihany koa, ny vokatra vaovao provandy “KÔMBÔ”.
FIAROVANA NY TONTOLO IAINANA : Handraisana andraikitra amin’ny tetikasa “Kopakelatra”
Manoloana ny fanariana tavoahangy plastika eny rehetra eny izay mahatonga ny fahalotoan’ny tontolo iainana dia nanangana tetikasa antsoina hoe: “Kopakelatra” ny Star mba hahafahana miady amin’izany. Ireo olana goavana atrehin’izao tontolo izao ireo izay ahitana tavoahangy plastika aman-tapitrisany taonina isan-taona. Antony hanamafisin’ny STAR ny fitrandrahana azy ireo mba ho lasa tombony ara-toe-karena…
“LABIERAN’NY FAHALEOVAN-TENA” : Azo jifaina manerana ny Nosy mandritry ny volana roa
Mitohy hatrany ny fanomezan’ny zava-pisotro “THB”, fahafaham-po, ny mpanjifany. Manolotra vokatra vaovao eo amin’izay zava-pisotrony izay ny Labiera amin’ity volana may ity ka hatramin’ny volana jona 2025. “THB Indépendance” na ny “Labieran’ny Fahaleovan-tena” no anarana isaloran’izany ao amin’ny Star izay orinasa mpamokatra azy io.
FANAMBARAN’NY RODOBEN’NY FIRAISAMONIM-PIRENENA ETO AMIN’NY FARITRA DIANA mikasika NY TERRES RARES AO BITAIMBOAY HO AN’NY MPITONDRA FANJAKANA MALAGASY SY IZAY REHETRA MIKASA HITRANDRAKA AN’IO
Efa an-taonany maro no nanoheran’ny vahoaka any ifotony voakasika mivantana io tetikasa fitrandrahana io satria efa ela no fantany avy amin’ny loharanom-baovao samihafa fa tsy misy tombotsoa fa fahoriana ny ho fiantraikan’ny fitrandrahana terres rares amin’ny lafiny ara-tontolo iainana sy ara-pahasalamana ary ara-ekonomika sy sosialy.
“DELESTAZY, TSY FANDRIAM-PAHALEMANA, KOLIKOLY, TSY FISIAN’ASA…” : “Mbola misy Fanjakana ve eto ?”
Difotry ny fahasahiranana ary soavalin’ny fahantrana tanteraka ny ankamaroan’ny Malagasy ankehitriny. Mitrongy vao homana, mandry andriran’antsy lava izao noho ny tsy fisian’ny fandriam-pahalemana, ny famoronana asa tsy misy. Vokany, mahazo laka ny kolikoly. Mifampihinana ampitoerana ny samy Malagasy, tazana sy heno etsy sy eroa ny famonoan’olona amin’ny fomba feno habibiana.
