Fisokafana amin’ny tsenambarotran’ny Kaontinanta Afrikanina no fiaraha-miasa vaovao apetrakin’ny tompon’andraikitra mpikarakara ny Foara Iraisam-pirenena eto Madagasikara na ny “FIM”, “MadaVision”, amin’ity taona ity. Anton’ilay lohahevitr’ity hetsika ara-toe-karena ity, manao hoe: “Madagasikara, tetezana mihazo an’i Afrika”…
Catégorie : Samihafa
FAHA-25 TAONAN’ NY TARIKA RABOUSSA : Hohamafisina hatrany amin’ny fizarana mozika
Ny taona 1997 no nanomboka nikirakira mozika ny tarika Raboussa raha ny taona 2000 no niaka-tsehatra voalohany. Izany hoe: hankalaza ny faha-25 taona nizarana mozika aman-jatony tamin’ireo mpankafy azy, ny tarika, amin’ity taona ity. Anton’ilay fampisehoana tokana, hotanterahan’ny tarika Raboussa, eny amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina, ny alahady 31 aogositra 2025…
NJAKATIANA SY DJ SHINCHAN ENY AMIN’NY “NATURIA PALM” : Hanolotra fampisehoana ho an’ny “Fetin’ny Reny”
Hanolotra fampisehoana goavana hivetsoana “ny hiran’i Neny”, i Njakatiana sy ny ekipany, ny alahady 25 may 2025, eny amin’ny “Naturia Palm” Antanambao-Ivato. Andro izay entina hanamarihana manokana ny “Fetin’ny Reny”…
ORINASA “COAGRI” : Manodina ny akora malagasy ho vokatra tsy misy simika
Laharam-pahamehan’ny Orinasa “CoAgri” ny hanakaiky hatrany ny mpanjifany. Antony manoloran’izy ireo hatrany vokatra maro samihafa amin’ny endrika tsara kalitao. Vokatra vita amin’ny akora voajanahary avokoa araka izany no atolotr’izy ireo ny mpanjifa. Vokatra vita Malagasy ihany no amidin’ity orinasa ity ho an’ireo mpanjifa hatramin’izay niorenany izay ka hatramin’izao fotoana izao.
“ASSISTANCE +” : Orinasa misehatra eo amin’ny lafiny fitsaboana
Orinasa iray misehatra eo amin’ny lafiny fitsaboana ny “assistance +”, izay manana ny foiben-toerany eny Mamory Ivato. Nandritra izay 30 taona nijoroany teto Madagasikara izay dia tsy nitsahatra nanitatra ny ambaindain’ny orinasany ny “assistance +” mba hanomezana fahafaham-po ny mpanjifany. Ahitana ny “assistance +” araka izany eny Ivandry Ankorondrano sy any Toamasina ary any Mahajanga…
BASE TOLIARA : « Aza fahanana lainga ny vahoaka Malagasy ary arovy ny zony hiaina am-pahamendrehana ao anaty fahalemana amin’ny lafiny rehetra »
« Taorian’ny kabary nataon’ny Filoha Andry Rajoelina tamin’ny 4 mai 2025 sy ny fidinany tany amin’ny distrikan’ny Toliara I sy II tamin’ny 17 mai 2025, dia tsy mitsahatra manely vaovao tsy marina ary manao fandresen-dahatra feno fitaka sy lainga tsara lahatra amin’ny fomba rehetra ireo mpomba ny tetikasa Base Toliara. »
“ZONE FRANCHE INTERNATIONALE TOURISTIQUE”, “ESPACE AGRICOLE COMMUN” : Misintona ny sain’ireo solombavambahoaka ny fiarahamonim-pirenena
Nandefa taratasy tamin’ireo solombavambahoaka ny maraina teo ireo fikambanana avy amin’ny firaisamonim-pirenena misehatra amin’ny fananantany, maneho ahiahy sy mitaky fahamalinana mikasika ireo tetikasa roa lehibe mahakasika ny tanim-pirenena : ny “zone franche internationale touristique” sy ny “espace agricole commun”.
MAHAMASINA : Mibanaka ny fivarotana toaka gasy
Tsy misy tahotra intsony na kely aza fa dia amidy antoandro be nanahary izao ny toaka gasy eny amin’ireo mpivarotra amoron-dalana eny Mahamasina manodidina ny trano fanaova-mofo iray eny an-toerana. Mahamasina izay ahitana trano fianarana sy fiofanana ho mpampianatra, tobin’ny mpitandro filaminana sns. Tazana manjifa ny toaka gasy avanga amin’ny vidiny Ariary fitonjato ny iray vera eny Mahamasina avokoa ireo sokajin’olona rehetra mifamezivezy eny an-toerana…
NOSY SAKATIA : Mitombo hatrany ny fahasahiranan-tsaina sy ahiahin’ny mponina momba ny tanin-drazany sy ny hoaviny
Maro amintsika no efa mahafantatra ny olan’ny mponina ao amin’ny Nosy Sakatia izay efa nitoetra teo amin’io nosy io ny razambeny hatramin’ny talohan’ny fanjanahan-tany. Nataon’ny mpitondra fanjakàna « Réserve Foncière Touristique » ny ampahan’ny tany ao…
FIAROVANA NY TONTOLO IAINANA : Omena sehatra manokana amin’ny “Festival des Initiatives Vertes”
Ny andiany faharoa amin’ilay hetsika “Festival des Initiatives Vertes” no hotanterahana eny amin’ny AFT Andavamamba, ny 22 ka hatramin’ny 24 may 2025. Tamin’ity taona ity dia nomena sehatra manokana ny fanentanana ny fiarovana ny tontolo iainana amin’ny fomba rehetra…
