Hanolotra fampisehoana goavana hivetsoana “ny hiran’i Neny”, i Njakatiana sy ny ekipany, ny alahady 25 may 2025, eny amin’ny “Naturia Palm” Antanambao-Ivato. Andro izay entina hanamarihana manokana ny “Fetin’ny Reny”. Tolotra ranoray ho an’i Neny araka izany no handravahana ny fotoana. Izany hoe: ireo hira rehetra nahalalana an’i Njakatiana hatramin’izay izay mahakasika ny “Hiram-pitiavana”, “fifankatiavana” sy ny maro samihafa… no hokaloina.
Maherin’ny 120 ny isan’ireo hira hohirain’i Njakatiana ao anatin’izany ary natao indrindra ho an’ireo te hanana “collection Njakatiana” ihany koa. Ahitana “Tee-shirt” eny an-toerana amin’io fotoana io. Ankoatra izay dia hitondra voan-dalana ho an’i Neny sy ireo mpankafy azy i Njakatiana sy ny ekipany. Hisy “clé USB” ahitana hira nahalalana azy izay amidy eny an-toerana. Ity fampisehoana goavana hiarahana amin’i Njakatiana sy ny ekipany ity araka izany dia “Grand picnic des mamans” izay fitsangatsanganana lehibe atolotra ho an’i Neny. Arahana seho miaraka amin’i DJ Shinchan izany izay hanokatra ny tapany maraina amin’io fotoana io. Hisokatra amin’ny 10 ora maraina ny vavahady raha amin’ny 2h 30 no hanomboka ny fampisehoana hiarahana amin’i Njakatiana sy ny ekipany.
Ny” Louvto Company” no mikarakara ity hetsika ity. Azo jifaina “en ligne” sy eny amin’ny “Super Music” Analakely ny tapakila izay misy sokajiny telo. Ny “VIP” izay jifaina amin’ny vidiny Ar 25.000 raha jifaina Ar 16.000 ny tsotra ary jifaina Ar 10.000 ny ankoatra izay, araka ny fanazavana voaray, teny amin’ny Barea Mahamasina, ny alarobia 21 may 2025, nandritry ny valan-dresaka niarahana tamin’ny mpanao gazety.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

