“FESTIVAL DES BALEINES” ANDIANY FAHAVALO : Hatomboka eto Antananarivo ka hofaranana any Sainte Marie

Ny 12 ka hatramin’ny 20 jolay 2025 no hotanterahana any Sainte Marie, ny andiany fahavalo, amin’ny fanamarihana ny fandalovan’ny trozona na ny “Festival des Baleines” eto Madagasikara. Hetsika izay entina hampahafantarana ny sehatry kolontsaina malagasy, ireo kanto nentim-paharazana sy ny zava-kanto miaina amin’izao tontolo izao, hanomezana ihany koa ny lanja ny tontolo iainana, ny fizahan-tany sy ny fihariana ary ny toekarena.

TARIKA SOLIKA : Hihira ho an’ireo Reny

Ny Alahady 25 Mey 2025, amin’ny telo ora ora tolakandro,  etsy amin’ny CCESCA Antanimena, no hian-tsehatra ny tarika Solika. Fampisehoana tafiditra ho amin’ny fankalazana ny fetin’ny reny. « Fetin’ny Reny mampiray hina » no lohahevitra entin’ny Tarika Solika sy ny avy eo anivon’ny FJKM Ambohibe Ilafy Fitahiana mpikarakara noho ny Reny fototry ny teny hoe : « Firenena » ny fampisehoana.

ANDRON’NY SEHA-PAMOKARANA ETO AN-TOERANA : “Vita malagasy, tiako ka arovako” no teny filamatra

Andron'ny seha-pamokarana eto an-toerana

Ny Andron’ny seha-pamokarana eto an-toerana na ny « Journées des Branches de Production Nationales » no hetsika tontosain’ny Fahefam-pirenena miandraikitra ny fepetra fanitsiana ara-barotra na ny « Autorité Nationale chargée des Mesures Correctives Commerciales » (ANMCC), eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Hetsika izay nanomboka ny 16 ka hifarana ny 18 may 2025. Hetsika izay entina hampahafantarana ireo vokatra vita Malagasy…

MPIASAN’NY ORINASA « VITAPLAST » ENY ANOSIZATO ANDREFANA : Mitaky ny hanajana ny lalàna sy ny fampiharana ny Didim-pitsarana

Fitokonan'ny mpiasan'ny Vitaplast Anosizato

« “Délégués du personnel – Comité d’entreprise Société Vitaplast” – Mitaky ny fanajana sy fampiharana ny Didim-pitsarana – Hajao ny lalàna velona eto Madagasikara ». « Ity orinasa ity no mpanakorontana ny mpiasa sy ny tontolon’ny arak’asa eto Madagasikara – Ampy izay ny didy jadona sy ny ramatahora ary ny tsindry hazo lena. Hajao ny lalàna ampy izay ». Ireo no sora-baventy manemitra ny vavahady sy ny tambohon’ny orinasa « Vitaplast » eny Anosizato Andrefana, tamin’ity zoma 16 may 2025 ity.

FAMPISEHOANA HOTANTERAHAN’I TIAKOLA : Hanentanana ny tanora eto Madagasikara

Tialoka Madagasikara

Ny 11 jona 2025 no hanatanteraka fampisehoana goavana eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahan-tena sy ny kolontsaina Mahamasina, ny mpanakanto Tiakola. Fampisehoana izay karakarain’ny “Nas Production” sy ny “KP Event”. Tanjon’ity mpanakanto mpanao “rap” teratany Afrikanina ity amin’izao fampisehoana goavana eto Madagasikara izao ny hanentanana ireo tanora mba hiroso lalina kokoa amin’ny asa famoronana sy ny kolontsaina ary ny soatoavina…

“LOKO IRAY” : Hanolotra fampisehoana eny Mahamasina

Ny alahady 8 jona 2025 dia hanatanteraka fampisehoana eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina i Nate Tex, Njara Marcel, Ayam sy Johane ary Nampoina. Fampisehoana izay tena hiavaka tokoa satria voalohany no iray sehatra ireto mpanakanto tanora ireto. Hampiavaka ity fampisehoana ity ihany koa anefa ireo haingon-tsehatra sy ireo ho fiarahan’izy dimy mianadahy ireo mihira eny an-tsehatra.

“TANA SCHOOL EXPO 2025” ANDIANY FAHAROA : Nanampiana ireo ray aman-dreny amin’ny fitadiavana ny fianaran-janany

Ny andiany faharoa tamin’ilay hetsika “Tana School Expo 2025” no notontosaina, teny amin’ny “Dyve Garden” Anosivavaka, ny sabotsy 10 may 2025. Ity hetsika ity izay nentina nanampiana ireo ray aman-dreny tamin’ny fitadiavana ny fianaran-janany any amin’ny Ambaratonga fototra ka hatrany amin’ny Lisea raha teo ihany koa no nahafahan’izy ireo nijery ireo karazana fialam-boly azon’ireo zaza sy ankizy hatao…