“LOKO IRAY” : Hanolotra fampisehoana eny Mahamasina

Ny alahady 8 jona 2025 dia hanatanteraka fampisehoana eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina i Nate Tex, Njara Marcel, Ayam sy Johane ary Nampoina. Fampisehoana izay tena hiavaka tokoa satria voalohany no iray sehatra ireto mpanakanto tanora ireto. Hampiavaka ity fampisehoana ity ihany koa anefa ireo haingon-tsehatra sy ireo ho fiarahan’izy dimy mianadahy ireo mihira eny an-tsehatra. Izy ireo izay samy manana ny lazany eo amin’ny tontolon’ny mozika. Hampihanoka ny kantom-pitiavana amin’ny alalan’ny sangan’asan’izy ireo avy araka izany ireto mpanakanto tanora ireto. Eo ihany koa anefa ny fivazoan’izy ireo ny tantaram-piaraha-monina. Ireo hira rehetra nahafantarana azy dimy mianadahy ireo hatramin’izay ka hatramin’izao dia samy hovetsoan’izy ireo ao avokoa. Tsy ho diso fanantenana araka izany ireo mpankafy mpijery mandritran’io alahadin’ny Pentekosta io fa mampanantena fampisehoana sarotra hohadinoana i Nate Tex, Njara Marcel, Ayam sy Johane ary Nampoina. Izy ireo izay hanolotra “surprise” mandritry ny fampisehoana. Ny “Loko Iray” no tompon’andraikitra amin’ity fampisehoana tokana tsy hanam-paharoa ity. Sambany no handray anjara amin’ny fikarakarana fampisehoana matihanina tahaka izao ny “Loko Iray”. Ny “Loko Iray” izay mbola anisany zandriny indrindra raha eo amin’izay fikarakarana fampisehoana sy seho ara-javakanto izay. Hanomboka amin’ny 3 ora tolakandro ny fampisehoana amin’io 8 jona 2025 io. Efa azo jifaina eny Ambohijatovo sy ao amin’ny “ticketplace” ireo karazana tapakila izay manomboka amin’ny Ar 7.000 ka hatramin’ny Ar 100.000. Manohana ity fampisehoana goavana ity ny “Carvus”, “Yms”, “Catt’Express”, “ambio” sy ny “miRitsoka Production” ary ny “TiaKafe” eny Ambatobe, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra mpikarakara ny fampisehoana izay avy ao amin’ny “Loko Iray”, Andriamihaja Ny Aina Eric.

Vous aimerez aussi