Navoakan’ny Sekoly Ambony « In.S.P.N.Mad Paramedical », tamin’ny fomba ofisialy, ny zoma 9 may 2025, teny Vontovorona, ireo mpianatra ao aminy izay misehatra eo amin’ny tontolon’ny fitsaboana na ny andiany « Volamena ». Izy ireo izay niisa 300 mahery. Ireto tanora mpianatra nahavita ny fianarana momba ny tontolon’ny fitsaboana ireto izay tonga dia afaka miatrika asa avy hatrany…
Catégorie : Samihafa
Hetsika May 72
Nametraka fehezam-bonikazo ho fafatsiarovana ny Hetsika May 72 teo amin’ny Lapan’ny tanàna ireo mpitolona tamin’izany. Ity hetsika ity dia noforon’Itompokolahy Willy Razafinjatovo, fantatry ny rehetra amin’ny anarana hoe “Olala”, izay mpanentana tamin’izany fotoana izany…
MADAGASIKARA : Mitohy ny Tolona ho an’ny Fahaleovan-tena sy ny Fiandrianam-pirenena eo amin’ny Tany
« Madagasikara dia Nosy lehibe mirefy 587 000 km2, mitovy velarana amin’i Frantsa sy ny Benelux mitambatra. Firenena manan-karena amin’ny zava-manan’aina sy harena an-kibon’ny tany ahitana akora mineraly sarobidy sy vato soa. Saingy ny vinan’ireo mpitondra nifandimby sy ny politikam-panjakana nampiharina vao mainka mampitombo ny fahantran’ny mponina mi-isa 28 tapitrisa. Amin’izao fotoana izao, Madagasikara dia laharana faha-3 aorian’i Syria sy Soudan Atsimo “ao anatin’ireo firenena manana tahan’ny fahantrana ambony indrindra eto an-tany”. »
FIANGONANA « M K P M M ANKADILALANA FINOANA-125 TAONA » : Tsy manavaka, mandala ny fiombonana hatrany
Ny Fiangonana MKPMM na « Misiona Kristiana Protestanta Malagasy Mahaleo tena » Ankadilalana Finoana dia Fiangonana Protestanta Kalvinista « Calviniste » Izany hoe : Avy amin’ny LMS (London Missionary Society) izay niorina tamin’ny taona 1901 Ny Pasitera Rainiketamanga sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky no nanorina ny trano fiangonana, izay mbola mijoro mandraka ankehitriny, etsy Ankadilalana. Ny taona 1847 no teraka ny Pasitera Rainiketamanga ary nodimandry ny 1937.
FIVORIANA ARA-POTOANAN’NY FIKAMBANAN’IREO BEN’NY TANÀNA AN-TANÀN-DEHIBE : Tokony hamiratra sy ho fitaratra avokoa ireo kaominina
Ny fivoriana ara-potoana fahaefatry ny fikambanan’ireo ben’ny tanàna an-tanàn-dehibe eto Madagasikara no notontosaina teny amin’ny Lapan’ny tanànan’ Analakely, ny alakamisy 8 may 2025 sy ny zoma 9 may 2025. Ny Kaominina Antananarivo Renivohitra no nandray an-tanana izany.
“FESTIVAL DU CAMELEON” ANDIANY VOALOHANY : Any Amboasary Atsimo ny 13 ka hatramin’ny 15 jona 2025
Taorian’ny fikaon-doham-paritra notontosaina, tany Faradofay, ny taona 2021 dia nahatsapa ny fitondram-panjakana fa anisan’ireo faritra tara eo amin’ny lafiny fampandrosoana ny any Anosy sy any Androy. Antony nitadiavan’izy ireo vahaolana mba ho paikady entina hanoloran-tanana ireo faritra ireo. Ankoatry ny fitondram-panjakana dia nitondra anjara biriky eo amin’izay lafiny fampandrosoana ny faritra Anosy sy Androy izay ihany koa ireo orinasa sy fikambanana ary “ONG” maro samihafa eto Madagasikara.
MPANJIFA “MVOLA” : 15 tapitrisa ny isan’izy ireo tao anatin’ny 15 taona nisiany
Nandritry ny 15 taona (2010-2025) nisian’ny “MVola” teto Madagasikara dia efa mahatratra 15 tapitrisa ihany koa amin’izao fotoana izao ny mpanjifan’ity orinasa mikirakira ny vola nomerika eto amintsika ity. Ireo mpanjifa ireo izay miparitaka manerana ireo tanàn-dehibe sy ambanivohitra. Efa zo fototry ny tsirairay ny fisitrahana ny tolotra ara-bola nomerika ka mbola notohizan’ny “MVola” ihany izany hatramin’izao.
CRAAD-OI : Taratasy misokatra ho an’ny solombavambahoakan’i Madagasikara
« Tsapa tao anatin’ny volana maromaro teo amin’ny haino vaky jery, fa mandefa fanambarana tsy ankijanona ireo manam-pahefana sy olom-boafidy maro, na avy ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana na avy any ivelany, hatrany amin’ny masoivohon’i Madagasikara any Etazonia, izay efa hita taratra fa niova soratra ho mpanera sy mpidera ny orinasa amerikana Energy Fuels Inc. mba hahafahan’ity farany mitrandraka ilmenite, rutile, zircon ary monazite ao amin’ny tetikasa Base Toliara. »
FAMATSIAM-BOLA AMIN’NY FANARENANA NY TONTOLO IAINANA : Tanjona ny hampipaka ny vokany eny amin’ireo mponina eny ifotony
Firenena miisa efatra (Madagasikara, Maurice sy Seychelles ary Comores) eto amin’ny Ranomasim-be Indianina no nahazo famatsiam-bola avy amin’ny « Fonds vert pour le climat ». Famatsiam-bola izay entina manokana hanarenana ny tontolo iainana sy ny vokatr’izany eny amin’ireo mponina eny ifotony…
TARIKA KEN : Nampahafantatra ny raki-kirany voalohany “Io ary nen’lah”
Lanonana roa sosona no niarahan’ny mpanao gazety, tamin’ny tarika Ken, ny 6 may 2025, teny Ankorondrano. Teo aloha ny fampahafantaran’ny tarika, tamin’ny fomba ofisialy, ny raki-kiran’izy ireo voalohany izay nampitondraina ny lohateny hoe: “Io ary nen’lah”. Izy io izay anaty “clés USB” ka ahitana hira miisa 12. Amin’ny alalan’ny fampisehoana ny 30 may 2025 eny amin’ny La “Scène” Ivandry no hamoahana amin’ny fomba ofisialy ity raki-kira ity.
