ANDRO MANERAN-TANY HO AN’NY MPAMONJY VOINA : Nomarihana tamin’ny “Varavarana misokatra” teny Tsaralalàna

Fanomezan-drà sy fizaham-pahasalamana ary fanalana nify faobe maimaim-poana. Fitsidihana sy fanazavana ary fampirantiana ny toby misy ny fiara sy ny fitaovan’ny Sampana Mpamonjy Voina. Fampisehoana ny famonoana afo sy ny vonjy aina. Fampahafantarana ireo fepetra vonjy taitra ho an’ny mpianatra. Fampianarana ho an’ny ankizy sy lehibe. Fanentanana sy fampahafantarana ny mpianatra sy ny tanora ny mahakasika ny Sampana Mpamonjy Voina…

TANORA MPILATSAKA AN-TSITRA-PO AMIN’NY VAKOKA IRAISAM-PIRENENA SY NY ADY AMIN’NY FIOVAN’NY TOETRANDRO : Notontosaina teto Madagasikara ny fampiofanana iraisam-pirenena

Tanora mahatratra 35 isa avy amin’ny firenena miisa 25 avy any Afrika sy Eoropa aryAzia no tonga eto Madagasikara nanatrika ny fiofanana iraisam-pirenena ho an’ny mpilatsaka an-tsitra-po amin’ny vakoka iraisam-pirenena sy ny ady amin’ny fiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro.

VAOMIERAN’NY RANOMASIMBE INDIANA (COI) : Ireo teboka lehibe ilàna fahamalinana taorian’ny fihaonana an-tampony

Natao tao Antananarivo tamin’ny 24 aprily 2025 ny fihaonana an-tampony faha-dimin’ny Vaomieran’ny
Ranomasimbe Indiana (COI), rafitra iraisan’ny governemanta avy amin’ny firenena 5 mpikambana ao aminy, dia Seychelles, La Reunion, Maorisy, Madagasikara ary ny Firaisan’i Kômôro. Efa taona maro izao no nanomezana anarana ny fitambaran’izy ireo hoe “Indianoseania”.

FIKAMBANANA « NY AMPINGA » : Hifaninana “takalo an-kabary” amin’ny “Salohifito”

“Hampandroso hatrany ifotony ny Teny sy ny Soatoavina Malagasy” io no teny filamatry ny fikambanana “Ny Ampinga” izay mampianatra ny fikabariana sy ny kabary malagasy amin’ireo vonona ny handranto fahaizana amam-pahalalana amin’izany indrindra fa ireo te handala ny soatoavina mahamalagasy. Ity fikambanana “Ny Ampinga” ity izay hanatanteraka fifaninanana “takalo an-kabary” izay hifanaovany amin’ny mpianatry ny “Salohifito”, ny alahady 11 may 2025, amin’ny 1ora tolakandro, eny amin’ny CEG Ampefiloha…

BEN’NY TANANAN’NY KAOMININA MAHITSY-AMBOHIDRATRIMO : Natolotra tamin’ny fomba ofisialy

Ny zoma lasa teo no tontosa soa aman-tsara teny amin’ny kianja manara-penitry ny kaominina Mahitsy, ny lanonana fanolorana tamin’ny fomba ofisialy sy ampahibemaso teo anatrehan’ny mponina iadidiany, ny ben’ny tanànan’ny kaominina Ambanivohitra Mahitsy, Rakotomanga Razaka Dilo. Lanonana izay nanehoan’ity ben’ny tanàna ity sy ireo mpiara-miasa aminy fa tsy maintsy hiavaka amin’ny fahatsarana eo amin’ny fitantanana ny kaominina Ambanivohitra Mahitsy. Mba ho tena maodely tokoa eo anatrehan’ireo kaominina hafa ao amin’ny distrikan’Ambohidratrimo.

SOMBIM-PIAINAN’IREO MPANAKANTO MALAZA : Ho harahana amin’ny fandaharana « Star Story »

Fandaharana vaovao ho harahan’ny mpankafy sy ny mpijery ny Fahitalavi-panjakana TVM izay maneho ny sombim-piainan’ireo mpanakanto malaza amin’izao fotoana izao toy an’i Mopcaan, Parish sy Maman’tsololo ary ireo mpanakanto hafa, ny « Star Story ». Isaky ny farany herinandro izany hoe isaky ny zoma sy ny sabotsy ary ny alahady amin’ny fito ora latsaka fahefany hariva no hanarahana izany fandaharana izany manomboka ny 9 mey 2025…

“ANDRO MANERAN-TANY HO AN’NY ASA SOSIALY” : Nomarihan’ny Sekoly Ambony “ESDES” tamin’ny tolotra fanampiana

Asa sosialy maro sosona no nanamarihan’ny Sekoly Ambony “Ecole Superieure de Développement Economique et Social” na ny (ESDES) ny “Andro maneran-tany ho an’ny asa sosialy” izay hankalazaina isaky ny 18 martsa. Teo aloha ny famelabelaran-kevitra narahina adihevitra momba ny asa sosialy eto Madagasikara izay niarahan’ity Sekoly Ambony ity tamin’ny Profesora Rakoto David Olivaniaina, ny Dr Rakotondrainibe Andry, Mr Tiavina Ranaivo izay avy ao amin’ny “FID” sy ny avy ao amin’ny “Unesco” ary ny avy ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.