NOSY SAKATIA : Mitaky ny anatsaharana ny fandrahonana sy fampitahorana ny mponina ny Fiarahamonim-pirenena

« Mampahafantatra ny vaovao sy ny fivoatry ny raharaha amin’ny vahoaka malagasy manontolo izahay Rodoben’ny Fiarahamonim-pirenena eto amin’ny faritra DIANA mba hanohy ny fanohanantsika rehetra ny mponina ao Nosy Sakatia sy hangataka amin’ny orinasa Green Mada Land sy ireo mpitondra fanjakàna manohana azy mba hampitsahatra ny fandrahonana sy fampihorohoroana ary hiroso amin’ny fifampiresahana hahitam-bahaolona maharitra ho an’ ireo vahoaka eny ifotony. »

ANDRO IRAISAM-PIRENENA MOMBA NY BOKY : “Boky, ny mpanoratra: andrin’ny fampandrosoana” no lohahevitra

Nanomboka ny taona 1995 dia nametraka ny Unesco fa isaky ny 23 aprily no hankalazaina ny Andro Iraisam-pirenena momba ny boky. Anisany nanamarika izany isika teto Madagasikara. Tamin’ny alalan’ny Fakiolten’ny “Economie” sy “Gestion” ary “Sociologie” na ny “EGS” no nanatontosana izany, ny zoma lasa teo, amin’ny naha andro tsy fiasana, ny 23 aprily 2025…

« COMITE MONDIAL DES FEMMES CHEFS ENTREPRISES » ETO ANTANANARIVO : Fihaonamben’ireo Vehivavy mpandraharaha mpitantana orinasa maneran-tany

Hanomboka ny 28 aprily ka hatramin’ny 30 aprily 2025, eto Antananarivo, ny “Comité Mondial des Femmes Chefs Entreprises”. Ity hetsika ity izay entina manasongadina ny fihaonambe maneran-tanin’ireo vehivavy mpandraharaha mpitantana orinasa. Anjaran’ny eto Madagasikara no mandray izany amin’ity taona ity ka eny amin’ny Novotel Alarobia no hanatanterahana ny hetsika…

FAHANTRAN’NY MALAGASY : Ezahana afenina fa tsy hitadiavana Vahaolana maharitra

Valalanina tanteraka ny ambanilanitra manoloana ny fihetsiky ny fitondram-panjakana, tarihan’ny filoha hajaina mamim-bahoaka Andry Nirina Rajoelina. Tsy ny fitadiavana ireo vahaolana maharitra hialana malaky amin’izao fahantrana manara-penitra iainan’ny Malagasy izao toy ny famoronana asa, fampiakarana ny fahefa-mividy, fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ary ny fanampiana amin’ny fitaovam-pamokarana, fiofanana ireo TANTSAHA kitro ifaharan’ny asa fampandrosoana sy ny fanamafisana ny lafiny fandriam-pahalemana ambanivohitra sy andrenivohitra.